Ary hoy izy: «Hiverina aty aminao indray Aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy i Sarà vadinao.» Ren’i Sarà teo am-baravaran’ny lay, teo ivohony, izany teny izany.
Genesisy 18:9 - Baiboly Katolika Raha efa izany dia hoy ireo taminy: «Aiza i Sarà vadinao?» Hoy ny navaliny: «Ao an-day ao izy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy izy telo lahy tamin’i Abrahama: Aiza i Saraha vadinao? Dia hoy izy: Indro, ao an-day izy. DIEM PROTESTANTA Ary nanontany izy telo lahy hoe: –Aiza i Sarà vadinao? Ka hoy ny navaliny azy: –Indro ao an-day izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nanontany izy telo lahy hoe: –Aiza i Sarà vadinao? Ka hoy ny navaliny azy: –Indro ao an-day izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy telo lahy tamin’i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy. Malagasy Bible Ary hoy izy telo lahy tamin'i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy. La Bible en Malgache Ary hoy izy telo lahy tamin’i Abrahama: Aiza i Saraha vadinao? Dia hoy izy: Indro, ao an-day izy. |
Ary hoy izy: «Hiverina aty aminao indray Aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy i Sarà vadinao.» Ren’i Sarà teo am-baravaran’ny lay, teo ivohony, izany teny izany.
Avy eo i Abrahama dia nandeha faingana ho any amin’ny andian’omby, dia naka zanak’omby anankiray tanora sy tsara izy, ary nomeny ny mpanompony izay nahandro izany faingana; dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin’ilay zanak’omby efa nandrahoina izy, ary narosony izany teo anoloan’izy ireo, ary izy kosa nitsangana teo anilany, teo am-poto-kazo. Ary nihinana izy ireo.
Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.
Dia nidiran’i Labàna ny lain’i Jakôba sy ny lain’i Lià, ary ny an’ny ankiziny roa vavy, nefa tsy nahitany na inona na inona. Nivoaka avy ao an-dain’i Lià izy, dia niditra tao an-dain-dRasela.
Dia hoy i Iaveh tamin’i Kaina: «Aiza i Abela rahalahinao?» Fa hoy ny navaliny: «Tsy fantatro. Moa mpiambina ny rahalahiko va aho?»
hahonon-tena, ho madio fitondran-tena, hikarakara ny tokantranony, halemy fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra.
Ny finoana no nitoerany tany amin’ny tany nampanantenaina toy ny any an-tany fivahiniana, tranolay no nitoerany; toy izany koa i Isaaka sy i Jakôba izay mpandova izany teny nampanantenaina izany koa;