Ary izy ireo kosa rehefa mby amin’ny taranaka fahefatra dia hiverina aty; fa hatramin’izao dia mbola tsy feno mitafotafo ny faharatsian’ny Amôreana.»
Genesisy 15:13 - Baiboly Katolika Hoy i Iaveh tamin’i Abrama: «Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny any amin’ny tany tsy azy ny taranakao, hanompo olona izy any, ary hampahorina mandritra ny efajato taona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ny tany izay tsy azy ny taranakao, ary hanompo ny olona any ka hampahoriny efajato taona izy. DIEM PROTESTANTA Dia hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Aoka ho fantatrao tsara fa hivahiny any amin’ny tany izay tsy azy ireo taranakao, ka ho mpanompo any ary hampijalîna mandritra ny efajato taona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Aoka ho fantatrao tsara fa hivahiny any amin’ny tany izay tsy azy ireo taranakao, ka ho mpanompo any ary hampijalîna mandritra ny efajato taona. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy. La Bible en Malgache Ary hoy NY TOMPO tamin’i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ny tany izay tsy azy ny taranakao, ary hanompo ny olona any ka hampahoriny efajato taona izy. |
Ary izy ireo kosa rehefa mby amin’ny taranaka fahefatra dia hiverina aty; fa hatramin’izao dia mbola tsy feno mitafotafo ny faharatsian’ny Amôreana.»
Homeko anao sy ny taranaka handimby anao ny tany izay ipetrahanao izao mbola vahiny izao, dia ny tany Kanaana manontolo hananany azy mandrakizay, ary Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo.»
Dia hoy koa izy tamin’i Faraôna: «Tonga aty izahay mpanomponao mba hitoetra amin’ity tany ity, fa tsy misy hanina intsony horaotin’ny ondrin’ny mpanomponao, fa mamely mafy ny mosary any amin’ny tany Kanaana. Koa aoka re mba havelanao honina eto amin’ny tany Gesena ny mpanomponao.»
Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an’i Israely izy, mba hamoritra azy amin’ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna, natao fitahirizan-javatra ho an’i Faraôna dia Pitaoma sy Ramsesa.
nampangidiny ny fiainan’izy ireo tamin’ny asa mafy dia mafy, dia tamin’ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra, izay asa nanereny azy tamin-kalozana.
Koa nohenoin’Andriamanitra ny fitarainany; tsaroany ny fanekeny tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.
«Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ianao.
Aza mampahory vahiny fa fantatrao ny fon’ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo.»
Koa handeha ianao amin’izao, irahiko any amin’i Faraôna, hitondranao mivoaka ny zanak’i Israely vahoakako.»
Ka hoy Aho: Hoentiko ianareo hiakatra avy any Ejipta, izay amoretana anareo, ho any amin’ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina, any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely.
Ka hidina aho hamonjy azy amin’ny tanan’ny Ejiptianina, hitondra azy miakatra avy amin’ity tany ity, ho any amin’ny tany mahavokatra sy malalaka, tany tondra-dronono aman-tantely, dia any amin’ny tany honenan’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.
Fa ataovy toy ny tompon-tany ihany no fitondra ny vahiny mitoetra eo afovoanareo, tiavo toy ny tenanareo izy; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Nidina tany Ejipta ny razanay, ary nitoetra tany ela izahay, fa samy nampahorian’ny Ejiptianina, na izahay na ny razanay.
«Nony efa akaiky ny fotoana hahatanterahan’ny teny napetrak’Andriamanitra tamin’i Abrahama, dia nitombo sy nihabetsaka ny olona tany Ejipta,
dia izao, hoy aho: fanekena mafy efa nataon’Andriamanitra izany, ka raha izay Lalàna natao telopolo amby efajato taona tatỳ aoriana, dia tsy mahafoana izany, na mahafoana ny teny fampanantenana.
Tsarovy fa efa andevo tany amin’ny tany Ejipta ianao, ary tanana mahery sy sandry ahinjitra no nitondran’i Iaveh Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; koa izany no nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao hitandrina ny andro sabata.