Genesisy 14:9 - Baiboly Katolika dia tamin’i Kodôrlahômôra mpanjakan’i Elama, i Tadala mpanjakan’i Gôima i Amrafeta mpanjakan’i Senaara, ary i Ariòka mpanjakan’i Elasara; efatra noho dimy ireo mpanjaka ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia tamin’i Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama, sy i Tidala, mpanjakan’i Goima, ary i Amrafela, mpanjakan’i Sinara, sy i Arioka, mpanjakan’i Elasara; mpanjaka efatra izany no niady tamin’ny mpanjaka dimy. DIEM PROTESTANTA izany hoe i Kedôrlahômera mpanjakan’i Helama, sy i Tidehala mpanjakan’i Gôima, sy i Amrafela mpanjakan’i Sinehara, ary i Ariôka mpanjakan’i Elasara; mpanjaka dimy mikatroka amin’ny efatra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara izany hoe i Kedôrlahômera mpanjakan’i Helama, sy i Tidehala mpanjakan’i Gôima, sy i Amrafela mpanjakan’i Sinehara, ary i Ariôka mpanjakan’i Elasara; mpanjaka dimy mikatroka amin’ny efatra. Baiboly Protestanta Malagasy dia tamin’Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama, sy Tidala, mpanjakan’ny Goima, sy Amrafela, mpanjakan’i Sinara, ary Arioka, mpanjakan’i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin’ny mpanjaka dimy. Malagasy Bible dia tamin'Kedorlaomera, mpanjakan'i Elama, sy Tidala, mpanjakan'ny Goima sy Amrafela, mpanjakan'i Sinara ary Arioka, mpanjakan'i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin'ny mpanjaka dimy. La Bible en Malgache dia tamin’i Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama, sy i Tidala, mpanjakan’i Goima, ary i Amrafela, mpanjakan’i Sinara, sy i Arioka, mpanjakan’i Elasara; mpanjaka efatra izany no niady tamin’ny mpanjaka dimy. |
Tamin’ny andron’i Amrafela, mpanjakan’i Senaara, sy i Ariòka, mpanjakan’i Elasara, sy i Kodôrlahômôra, mpanjakan’i Elama, ary i Tadala, mpanjakan’i Gôima,
Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan’i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra ka latsaka tamin’ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
Tamin’izay no nivoahan’ny, mpanjakan’i Sôdôma, ny mpanjakan’i Gômôra, ny mpanjakan’i Adamà, ny mpanjakan’i Sebôima ary ny mpanjakan’i Balà, dia i Segôra izany, nilahatra tao an-dohasahan’i Sidima hiady tamin’ireo,
Ny tenin’i Iaveh izay natao tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’i Elama, tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, nanao hoe: