Ka ny faritanin’ny Kananeanina tafapaka hatrany Sidona amin’ny tandrifin’ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin’ny tandrifin’i Sôdôma, i Gômôra, i Adama ary i Sebôima, dia hatrany Lesà.
Genesisy 14:3 - Baiboly Katolika Nivory tao an-dohasahan’i Sidima, dia ny Ranomasin-tSira izany, ireto farany ireto; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo rehetra ireo dia nifamotoana ka nivory tao an-dohasahan’i Sidima dia ny Ranomasina Maty izany. DIEM PROTESTANTA Izy rehetra ireo dia nifamotoana tao amin’ny lohasahan’ny Sidima, izay rakotry ny Ranomasina Maty ankehitriny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izy rehetra ireo dia nifamotoana tao amin’ny lohasahan’ny Sidima, izay rakotry ny Ranomasina Maty ankehitriny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan’i Sidima (dia ny Ranomasintsira izany). Malagasy Bible Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan'i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany). La Bible en Malgache Ireo rehetra ireo dia nifamotoana ka nivory tao an-dohasahan’i Sidima dia ny Ranomasina Maty izany. |
Ka ny faritanin’ny Kananeanina tafapaka hatrany Sidona amin’ny tandrifin’ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin’ny tandrifin’i Sôdôma, i Gômôra, i Adama ary i Sebôima, dia hatrany Lesà.
Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan’i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra ka latsaka tamin’ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
fa efa nanoa an’i Kodôrlahômôra roa ambin’ny folo taona izy ireo, no vao niodina taminy nony tamin’ny taona fahatelo ambin’ny folo.
Tamin’izay no nivoahan’ny, mpanjakan’i Sôdôma, ny mpanjakan’i Gômôra, ny mpanjakan’i Adamà, ny mpanjakan’i Sebôima ary ny mpanjakan’i Balà, dia i Segôra izany, nilahatra tao an-dohasahan’i Sidima hiady tamin’ireo,
Tamin’izay dia nalatsak’i Iaveh tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny afo sy solifara avy any amin’i Iaveh any an-danitra,
ary midina ny faritra manaraka ny moron’i Jordany ka tafapaka hatramin’ny Ranomasin-tSira. Izany no ho taninareo araka ny faritra manodidina azy.
mbamin’i Arabaha, ka i Jordany no faritra ao, hatrany Kenereta ka hatrany amin’ny ranomasin’i Arabaha sy ny Ranomasin-tSira eo ambodin’ny kisolosolon’i Fasgà any atsinanana.
dia nihandrona ny rano midina avy any ambony, ka niavosa hoatra ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, akaikin’ny tanànan’i Adoma, izay anilan’i Sartàna, ary tapaka mihitsy ny midina mankany amin’ny Ranomasina Arabaha, dia ny Ranomasin-tSira, ka nita tandrifin’i Jerikô ny vahoaka.