Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 13:6 - Baiboly Katolika

ka tsy ampy hiarahan’izy roa lahy monina intsony ny faritany, fa efa be dia be ny fananany, ka tsy nahazo niara-nitoetra intsony izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary tsy omby azy roa lahy hiarahany monina ny tany satria be loatra ny fananany avy ka tsy afaka niara-monina intsony izy ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Noho ny hamaroan’ny olona sy ny biby fiompy, dia tsy ampy hitoeran’izy roa lahy miaraka ny tany satria mbola nonina tao koa ny Kanahanita sy ny Perizita. Koa nisy fifandirana teo amin’ny mpiandry biby fiompin’i Abrama sy ny an’i Lôta.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho ny hamaroan’ny olona sy ny biby fiompy, dia tsy ampy hitoeran’izy roa lahy miaraka ny tany satria mbola nonina tao koa ny Kanahanita sy ny Perizita. Koa nisy fifandirana teo amin’ny mpiandry biby fiompin’i Abrama sy ny an’i Lôta.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananay, ka tsy nahazo niray monina izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary tsy omby azy roa lahy hiarahany monina ny tany satria be loatra ny fananany avy ka tsy afaka niara-monina intsony izy ireo.

Jereo ny toko



Genesisy 13:6
7 Rohy Ifampitohizana  

Nasiany soa i Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nahazo ondry, omby, ampondra, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ampondra vavy sy rameva.


Nentiny i Saray vadiny, sy i Lôta zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin’ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin’ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin’ny tany Kanaana izy.


Nanana harena be tokoa i Abrama, dia volafotsy ary volamena.


Fa izay te hanan-karena, dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza, izay mandentika ny olona amin’ny fandringanana amam-pahaverezana.