Ary ianao kosa, itondray avokoa rehefa mety ho zava-pihinana, angony ho fitaovana, mba hisy ataonao sy izy ireo fihinana.»
Genesisy 1:30 - Baiboly Katolika Fa ho an’ny bibin’ny tany mbamin’ny voromanidina sy izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany, ka manam-pofon’aina ao aminy, dia ny zava-maitso rehetra no omeko ho fihinany.» Dia tanteraka izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ho an’ny bibidia rehetra sy ny voromanidina rehetra ary ny zavamananaina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany dia omeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany. Dia nisy izany. DIEM PROTESTANTA Ary ny omeko ny ahi-maitso rehetra ho sakafony kosa dia ny biby rehetra eto an-tany sy ny voro-manidina rehetra eny an-danitra ary ny biby madinika rehetra mandady amin’ny tany, izany hoe ny manam-pofonaina rehetra.» Dia tanteraka izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny omeko ny ahi-maitso rehetra ho sakafony kosa dia ny biby rehetra eto an-tany sy ny voro-manidina rehetra eny an-danitra ary ny biby madinika rehetra mandady amin’ny tany, izany hoe ny manam-pofonaina rehetra.» Dia tanteraka izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny amin’ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan-aina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany. Malagasy Bible Ary ny amin'ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany. La Bible en Malgache Ary ho an’ny bibidia rehetra sy ny voromanidina rehetra ary ny zavamananaina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany dia omeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany. Dia nisy izany. |
Ary ianao kosa, itondray avokoa rehefa mety ho zava-pihinana, angony ho fitaovana, mba hisy ataonao sy izy ireo fihinana.»
Ho fihinana ho anareo avokoa rehefa mety ho zava-mihetsiketsika sy manana aina; fa omeko anareo daholo izany rehetra izany, toy ny efa nanomezako anareo ny zava-maitso.
Mihamatanjaka sy mihalehibe any an’efitra ny zanany, dia lasa izy ka tsy miverina intsony.
Mitetitety ny tendrombohitra hahitany hanina izy, izay mety hahitana volon’ahi-maitso dia alehany avokoa.
Mahavokatra vilona ho azy ny tendrombohitra; milalao manodidina azy ny biby an-tsaha rehetra.
mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy,