Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 1:24 - Baiboly Katolika

Hoy Andriamanitra: «Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina, araka ny karazany avy, dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany hamoaka zavamananaina, samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibidia, samy araka ny karazany avy! Dia nisy izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny tany hamoaka zava-miaina isan-karazany: biby fiompy, biby madinika mandady ary bibidia, samy araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny tany hamoaka zava-miaina isan-karazany: biby fiompy, biby madinika mandady ary bibidia, samy araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-mananaina, samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan'aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany hamoaka zavamananaina, samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibidia, samy araka ny karazany avy! Dia nisy izany.

Jereo ny toko



Genesisy 1:24
15 Rohy Ifampitohizana  

Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahadimy.


Ary i Iaveh Andriamanitra, izay efa namorona tamin’ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy mba hahitany izay hanononany azy avy; hitondran’ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen-dralehilahy azy avy.


Vorona isan-karazany, biby fiompy isan-karazany, biby mikisaka amin’ny tany isan-karazany no ho avy eo aminao, roa isan-karazany avy, mba hotahirizinao velona aina.


dia izy ireo sy ny biby rehetra isan-karazany, ny biby fiompy rehetra isan-karazany, ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany isan-karazany, ny voronkely, ny mananelatra rehetra.


Ary nivoaka avy tao an-tsambo fiara ny biby rehetra, ny biby mikisaka rehetra mbamin’ny vorona rehetra, dia izao zava-mihetsiketsika rehetra eto ambonin’ny tany izao, samy araka ny karazany avy.


Mahalala ny fotoana fiterahan’ny osy dia va ianao? Nodinihinao va ny serfa vavy raha miteraka izy?


Ianao va no manome hery ny soavaly, sy mandravaka vombo mihofahofa amin’ny vozony,


Iza no nandefa ny ampondra dia hikarenjy, ary zovy no namaha fatorana ny boriky dia,


Mba mety manompo anao va ny ombimanga, na handry ao an-tranony amin’ny alina?


Jereo ange i Behemota izay noarìko toa anao koa: mihinana ahitra tahaka ny omby izy.


ny tendrombohitra avo, ho an’ny osy dia, ary ny haram-bato ialofan’ny jeriboazy.


Ny olombelona mivoaka amin’izay ho any amin’ny asany; sy ho any amin’ny raharahany mandra-paharivan’ny andro.


biby dia amam-biby fiompy isan-karazany; biby mandady amam-boro-manana elatra,