dia natolony ireo ho eo an-tanan’ny Gabaônita, ka nahantony tany an-tendrombohitra teo anatrehan’i Iaveh. Niara-maty izy fito lahy tamin’ny andro voalohan’ny fijinjana, fiandohan’ny fijinjana ny orja.
Eksodosy 9:32 - Baiboly Katolika Ny varimbazaha sy ny épeautre anefa tsy naninona; afafy aoriana ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny varimbazaha sy ny ampemby no tsy mba ripaka satria mbola fohy ireny. DIEM PROTESTANTA Fa ny varim-bazaha sy ny ampemby voly aoriana, dia tsy maninona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ny varim-bazaha sy ny ampemby voly aoriana, dia tsy maninona. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny vary tritika sy ny ampemby no tsy mba naripaka, satria mbola fohy ireny. Malagasy Bible Fa ny vary tritika sy ny ampemby no tsy mba naripaka, satria mbola fohy ireny. La Bible en Malgache Fa ny varimbazaha sy ny ampemby no tsy mba ripaka satria mbola fohy ireny. |
dia natolony ireo ho eo an-tanan’ny Gabaônita, ka nahantony tany an-tendrombohitra teo anatrehan’i Iaveh. Niara-maty izy fito lahy tamin’ny andro voalohan’ny fijinjana, fiandohan’ny fijinjana ny orja.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro eo ambonin’ny tany Ejipta ny tananao ny amin’ny valala; aoka hiakarany ny tany Ejipta; aoka handevona ny ahitra rehetra amin’ny tany izy, izay sisan-kavandra rehetra.»
Dia nahinjitr’i Môizy nanandrify ny lanitra ny tanany, ka nisy haizim-pito ny tany Ejipta tontolo, nandritra ny hateloana.
Ho rakotra azy ny tany, tsy ho hita hirangirana ny tany; holevoniny avokoa ny sisa tsy voa izay navelan’ny havandra ho anareo; hohaniny daholo ny hazo maniry eny an-tsaha,
Niala avy ao amin’i Faraôna ary nivoaka ny tanàna i Môizy, dia nanandratra ny tanany tany amin’i Iaveh, ka ny kotrok’orana sy ny havandra nitsahatra, ary ny ranonorana nijanona tsy nilatsaka tamin’ny tany intsony.
Rehefa voaravony ny tany, moa tsy dia hapariakany va amin’izay ny nigela sy hafafiny ny komìna, ary hataony mitandahatra tsara ny frômenta sy ny orja amin’ny anjara toerany; ary ny epaotra kosa, eny an-tsisiny?
Makà frômenta, orja, kalamaka, voamena, ampemby ary epaotra; ataovy am-bilany iray ireo, ka anaovy mofo ho anao, araka ny isan’ny andro handrianao amin’ny ilanao, 390 andro no hihinananao azy.