Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 8:23 - Baiboly Katolika

Fa handeha lalan-kateloana any an’efitra izahay no hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Handeha lalan-kateloana any an-tany efitra izahay dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa handeha lalana telo andro any an-taniefitra izahay, ka any izahay no hanao sorona amin’ny TOMPO Andriamanitray araka izay hotondroiny aminay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa handeha lalana telo andro any an-taniefitra izahay, ka any izahay no hanao sorona amin’ny TOMPO Andriamanitray araka izay hotondroiny aminay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Handeha làlan-kateloana any an-efitra izahay, dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay, dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Handeha lalan-kateloana any an-tany efitra izahay dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.

Jereo ny toko



Eksodosy 8:23
6 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Elisea: «Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo. Izao no lazain’i Iaveh: Rahampitso toy izao, eo am-bavahadin’i Samaria, iray sikla dia hahazo lafarina tsara indrindra eran’ny famarana, iray sikla dia hahazo orja indroan’ny famarana.»


Fa raha mandà tsy handefa ny vahoakako ianao, indro Aho handefa valala hanenika ny taninao rehetra, rahampitso.


Fa hihaino ny teninao izy ireo; dia handeha ianao sy ny loholon’i Israely ho any amin’ny mpanjakan’i Ejipta ka hanao aminy hoe: Niseho taminay i Iaveh ilay Andriamanitry ny Hebrio. Koa amin’izao avelao izahay handeha lalan-kateloana any an’efitra, hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitray.


Ka hoy i Môizy: «Tsy mety ny manao izany, fa zava-padin’ny Ejiptianina ny sorona atolotra an’i Iaveh Andriamanitray; ka raha eo imason’ny Ejiptianina izahay no hanao sorona ny zava-pady, tsy sakoa ataony tora-bato?


Dia hoy i Faraôna: «Halefako handeha ihany ianareo, hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitrareo, any an’efitra, nefa aza lasan-davitra loatra ianareo amin’izany fandehananareo izany. Ary manaova fivavahana ho ahy.»


Noferan’i Iaveh ny fotoana nataony hoe: Rahampitso no hanaovan’i Iaveh izany amin’ny tany.»