Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 8:21 - Baiboly Katolika

Nampanalain’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna nilazany hoe: «Mandehana ianareo manolotra sorona amin’ny Andriamanitrareo eto amin’ity tany ity.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona i Farao ka niteny hoe: Mandehana ianareo ka mamonoa zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitrareo eto amin’ity tany ity ihany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nampiantso an’i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka niteny hoe: –Mandehana manatitra sorona amin’ny Andriamanitrareo, kanefa eto amin’ny tany ihany!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nampiantso an’i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka niteny hoe: –Mandehana manatitra sorona amin’ny Andriamanitrareo, kanefa eto amin’ny tany ihany!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Farao nampaka an’i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mandehana hianareo hamono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitrareo eto amin’ity tany ity.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Farao nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mandehana ianareo hamono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitrareo eto amin'ity tany ity.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona i Farao ka niteny hoe: Mandehana ianareo ka mamonoa zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitrareo eto amin’ity tany ity ihany.

Jereo ny toko



Eksodosy 8:21
7 Rohy Ifampitohizana  

Niteny izy ka lalitra zavon-tany no tonga, dia moka nanerana ny faritaniny.


Nalefany hamely azy ireo ny moka izay nihinana azy, ary ny sahona izay nahafaty azy.


ho hipoka azy avokoa ny tranonao sy tranon’ny mpanomponao, ary ny an’ny Ejiptianina rehetra. Tsy mbola nisy nahita loza toy izany na ny rainao na ny raibenao, hatrizay nisiany tetỳ ambonin’ny tany, ka mandrak’ankehitriny.» Dia lasa Môizy, ka niala teo amin’i Faraôna.


Dia nataon’i Iaveh izany ka tongan’ny lali-be zavon-tany ny tranon’i Faraôna sy ny an’ny mpanompony, ary simban’ny lali-be daholo ny tany Ejipta manontolo.


Ka hoy i Môizy: «Tsy mety ny manao izany, fa zava-padin’ny Ejiptianina ny sorona atolotra an’i Iaveh Andriamanitray; ka raha eo imason’ny Ejiptianina izahay no hanao sorona ny zava-pady, tsy sakoa ataony tora-bato?


Dia hoy i Faraôna: «Halefako handeha ihany ianareo, hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitrareo, any an’efitra, nefa aza lasan-davitra loatra ianareo amin’izany fandehananareo izany. Ary manaova fivavahana ho ahy.»


Amin’izany andro izany, i Iaveh hisiaka ny lanitra any amin’ny fara lafin’ny onin’i Ejipta, sy ny renitantely, any amin’ny tanin’i Asiria.