Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 8:17 - Baiboly Katolika

Fa raha tsy alefanao handeha ny vahoakako, indro Aho handefa lali-be hamely anao, hamely ny mpanomponao, hamely ny vahoakanao, ary hamely ny tranonao. Ho heraka lali-be ny tranon’ny Ejiptianina mbamin’ny tany onenany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha tsy mamela ny oloko handeha ianao, indro andefasako fihitra betsaka hamely anao, ny mpanomponao, ny vahoakanao ary ny tranonao, dia ho feno fihitra ny tranon’ny Ejiptiana sy ny tany izay itoerany koa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

fa raha tsy avelanao handeha izy, dia handefasako fihitra betsaka eny aminao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary any an-dapanao. Ho feno fihitra ny tranon’ny Ejiptianina sy ny tany izay itoerany koa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

fa raha tsy avelanao handeha izy, dia handefasako fihitra betsaka eny aminao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary any an-dapanao. Ho feno fihitra ny tranon’ny Ejiptianina sy ny tany izay itoerany koa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha tsy mandefa ny oloko hianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon’ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha tsy mandefa ny oloko ianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon'ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha tsy mamela ny oloko handeha ianao, indro andefasako fihitra betsaka hamely anao, ny mpanomponao, ny vahoakanao ary ny tranonao, dia ho feno fihitra ny tranon’ny Ejiptiana sy ny tany izay itoerany koa.

Jereo ny toko



Eksodosy 8:17
7 Rohy Ifampitohizana  

Niteny izy ka lalitra zavon-tany no tonga, dia moka nanerana ny faritaniny.


Nalefany hamely azy ireo ny moka izay nihinana azy, ary ny sahona izay nahafaty azy.


Ka izao no lazaiko aminao: Avelao handeha ny zanako, hanompo Ahy; fa raha mandà ianao ka tsy mamela azy handeha, hovonoiko ny zanakao, dia ny zanakao lahy matoa.»


Raha efa izany, lasa nankao amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Alefaso handeha ny vahoakako hanao fety any an’efitra.»


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mifohaza maraina koa ka tongava eo anatrehan’i Faraôna amin’ilay fotoana ivoahany ho any amoron-drano iny. Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Avelao handeha ny vahoakako hanompoany ahy.


I Iavehn’ny tafika no nandidy izany mba hanamatroka ny voninahitr’izay rehetra mamirapiratra, mba hanetry ny olo-malaza rehetra amin’ny tany.


Niaraka tamin’izay, dia nisy Anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, ka maty nohanin’ny kankana.