Eksodosy 7:26 - Baiboly Katolika Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mankanesa ao amin’i Faraôna, lazao aminy hoe: Izao no tenin’i Iaveh: Avelao handeha ny vahoakako hanompo Ahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy. DIEM PROTESTANTA Taorian’izany, dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mankanesa any amin’ny Farao, ka lazao aminy hoe: «Asain’ny TOMPO alefanao ny vahoakany hanao fanompoam-pivavahana aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taorian’izany, dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mankanesa any amin’ny Farao, ka lazao aminy hoe: «Asain’ny TOMPO alefanao ny vahoakany hanao fanompoam-pivavahana aminy. Baiboly Protestanta Malagasy DIA hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jevoah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. La Bible en Malgache Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy. |