Naneho famantarana amam-pahagagana Izy, teo afovoanao, ry Ejipta, namelezany an’i Faraôna sy ny mpanompony rehetra.
Eksodosy 7:10 - Baiboly Katolika Dia nankany amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna, nataony avokoa izay nandidian’i Iaveh azy ireo. Natsipin’i Aarôna ny tehiny teo anoloan’i Faraôna sy ny mpanompony, ka nanjary bibilava. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy i Arona ka nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO. Natsipin’i Arona teo anatrehan’i Farao sy teo anatrehan’ny mpanompony ny tehiny ka tonga menarana. DIEM PROTESTANTA Dia nankao amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka nanatanteraka izay nandidian’ny TOMPO azy; natsipin’i Aharôna teo anatrehan’ny Farao sy ny mpanompony ny tehiny ka nanjary fanàny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nankao amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka nanatanteraka izay nandidian’ny TOMPO azy; natsipin’i Aharôna teo anatrehan’ny Farao sy ny mpanompony ny tehiny ka nanjary fanàny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy sy Arona nankao amin’i Farao ka nanao araka izay efa nandidian’i Jehovah; dia natsipin’i Arona teo anatrehan’i Farao sy teo anatrehan’ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny. Malagasy Bible Ary Mosesy sy Arona nankao amin'i Farao ka nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah; dia natsipin'i Arona teo anatrehan'i Farao sy teo anatrehan'ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny. La Bible en Malgache Dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy i Arona ka nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO. Natsipin’i Arona teo anatrehan’i Farao sy teo anatrehan’ny mpanompony ny tehiny ka tonga menarana. |
Naneho famantarana amam-pahagagana Izy, teo afovoanao, ry Ejipta, namelezany an’i Faraôna sy ny mpanompony rehetra.
Ary lasa nandeha ny zanak’i Israely ary nanantanteraka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy i Aarôna; izany no nataony.»
Ary hoy i Iaveh: «Atsipazo amin’ny tany iny.» Dia natsipiny tamin’ny tany, ka nanjary bibilava; ka vaky nandositra azy i Môizy.
Rahampitso maraina mankanesa any amin’i Faraôna ianao, fa hivoaka ho any amoron-drano izy, ka dia eo amoron’ny ony ianao miandry azy. Hoentinao eo an-tanana ilay tehina voaova ho bibilava,
Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna izay nandidian’i Iaveh azy. Naingaingan’i Aarôna ny tehina, nokapohiny teo anatrehan’i Faraôna sy ny mpanompony ny rano tamin’ny ony, ka nanjary ra avokoa ny rano rehetra tamin’ny ony;
«Raha avy izay hilazan’i Faraôna aminareo hoe: Manaova fahagagana, dia lazao amin’i Aarôna hoe: Raiso ny tehinao ka atsipazo eo anatrehan’i Faraôna, fa hanjary bibilava iny.»
Raha miery any an-tampon’i Karmela izy, hotadiaviko any, sy halaiko ihany; ary raha miafina ny masoko any anaty ranomasina izy, hodidiako hanaikitra azy any ny bibilava.
handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny.»
Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny.