Tsy omena mololo akory ny mpanomponao nefa atao hoe: Manaova biriky, ka indro fa voakapoka ny mpanomponao, ary ny vahoakanao tonga diso amin’izany.»
Eksodosy 5:17 - Baiboly Katolika Fa hoy kosa i Faraôna: «Olona kamo ianareo; olona kamo! Ka izany no ilazanareo hoe: Maniry ta-handeha hanolotra sorona amin’i Iaveh izahay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy i Farao: Olona kamo ianareo, olona kamo! Koa izany no itenenanareo hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO! DIEM PROTESTANTA Fa novalian’ny Farao hoe: –Olona tena kamo mihitsy ianareo! Izany no antony nilazanareo hoe: «Handeha hanao sorona ho an’ny TOMPO izahay.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa novalian’ny Farao hoe: –Olona tena kamo mihitsy ianareo! Izany no antony nilazanareo hoe: «Handeha hanao sorona ho an’ny TOMPO izahay.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Farao: Malaina dia malaina hianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah. Malagasy Bible Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah. La Bible en Malgache Fa hoy i Farao: Olona kamo ianareo, olona kamo! Koa izany no itenenanareo hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO! |
Tsy omena mololo akory ny mpanomponao nefa atao hoe: Manaova biriky, ka indro fa voakapoka ny mpanomponao, ary ny vahoakanao tonga diso amin’izany.»
Ka mandehana miasa amin’izao tsy omena mololo ianareo; ary ny isan’ny biriky hatolotrareo dia tsy ovana akory.»
Nefa ny biriky izay ampanaovinareo azy dia hitovy isa amin’ny nataony teo aloha, tsy hanalanareo na iray aza, fa kamo foana izy, ka izay no imenomenonany hoe: ‹Maniry te-handeha hanao sorona amin’ny Andriamanitray izahay.›
Tezitra ny mpianany nony nahita izany ka nanao hoe: «Nahoana re iny no lanìna foana toy izao?
Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombokase»