Manasa ny tanako amin’ny tsy fananan-tsiny aho, ary manodidina ny ôtelinao aho, ry Iaveh,
Eksodosy 40:7 - Baiboly Katolika Hapetrakao eo anelanelan’ny trano lay fihaonana sy ny ôtely ny tavy, ka hasianao rano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Apetraho eo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara ny koveta dia asio rano ao anatiny. DIEM PROTESTANTA hapetraka eo anelanelan’ny Tranolay fihaonana sy ny alitara kosa ny kovetabe fampiasa amin’ny fidiovana, ary hofenoina rano. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara hapetraka eo anelanelan’ny Tranolay fihaonana sy ny alitara kosa ny kovetabe fampiasa amin’ny fidiovana, ary hofenoina rano. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan’ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny. Malagasy Bible Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny. La Bible en Malgache Apetraho eo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara ny koveta dia asio rano ao anatiny. |
Manasa ny tanako amin’ny tsy fananan-tsiny aho, ary manodidina ny ôtelinao aho, ry Iaveh,
Nanao ny tavy varahina sy ny faladiany varahina izy tamin’ny fitaratr’ireo vehivavy mpivory eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana.
Hataonao eo anoloan’ny fidirana ao amin’ny Fonenana, ao amin’ny trano lay fihaonana, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana.
Amin’izany andro izany, hisy loharano hisokatra, ho an’ny taranak’i Davida sy ny mponina ao Jerosalema, hanasa ny fahotana amam-pahalotoana.
dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina,
dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.
Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.