I Môizy sy i Aarôna dia anisan’ireo mpisorony, ary i Samoela isan’ireo miantso ny Anarany, dia niantso an’i Iaveh, ka novaliany.
Eksodosy 40:23 - Baiboly Katolika dia nalahany eo amboniny, teo anatrehan’i Iaveh ny mofo, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan’NY TOMPO izy, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. DIEM PROTESTANTA ary nalahatra teo amboniny ny mofo fanolotra ny TOMPO, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary nalahatra teo amboniny ny mofo fanolotra ny TOMPO, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan’i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. Malagasy Bible Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. La Bible en Malgache Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan’NY TOMPO izy, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. |
I Môizy sy i Aarôna dia anisan’ireo mpisorony, ary i Samoela isan’ireo miantso ny Anarany, dia niantso an’i Iaveh, ka novaliany.
Nataony teo an-trano lay fihaonana koa ny fanaovan-jiro, tandrifin’ny latabatra, amin’ny lafiny atsimo amin’ny Fonenana,
Dia hoentinao ny latabatra, ka halahatrao eo amboniny izay tsy maintsy hatao eo; hoentinao ny fanaovan-jiro dia hapetrakao eo amboniny ny lalampiny.
«Haka lafarina tsara indrindra ianao ka handrahoanao mofomamy roa ambin’ny folo, samy ho roa ampahafolon’ny efah avy ny mofomamy.
Hapetrakao mifanongoa amin’ny antontany roa ireo, enina isan’antontany, eo ambonin’ny latabatra volamena madio, eo anatrehan’i Iaveh.
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, ka nihinana ny mofo alahatra, kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?
Fa nisy tranolay natao, ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina, dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana, sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra.