Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 40:21 - Baiboly Katolika

Nentiny tao anatin’ny Fonenana ny fiara, dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran’ny vavolombelona, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny vata dia nampidiriny tao amin’ny tabernakely ka nahantony ny efitra lamba fanakonana mba hanakona ny vata misy ny Vavolombelona, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Naiditra tao amin’ilay fonena-masina ny Vatamasina, nahantona ny efitra lamba mba hanakonana ny Vatamasina, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Naiditra tao amin’ilay fonena-masina ny Vatamasina, nahantona ny efitra lamba mba hanakonana ny Vatamasina, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin’ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran’ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin'ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran'ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny vata dia nampidiriny tao amin’ny tabernakely ka nahantony ny efitra lamba fanakonana mba hanakona ny vata misy ny Vavolombelona, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko



Eksodosy 40:21
5 Rohy Ifampitohizana  

Apetaho eo ambonin’ny jaigirafy ny efitra lamba, ka dia ao indrindra no hampidiranao ny fiaran’ny vavolombelona ao ivohon’ny efitra lamba; fa ny efitra lamba no hampisaraka eo imasonareo ny Fitoerana Masina sy ny Fitoerana Masina indrindra.


ny fiara mbamin’ny baony, ny fanaovam-panavotana, ny efitra lamba,


Hapetrakao ao ny fiaran’ny vavolombelona ka hokoboninao amin’ny lamba.


hanoboka ny rantsan-tanany ao amin’ny ra, hamafy izany impito eo anatrehan’i Iaveh, tandrifin’ny efitra lamban’ny fitoerana masina.