Eksodosy 40:12 - Baiboly Katolika Hasainao handroso ho eo akaikin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana i Aarôna sy ireo zanany, ka hanadio azy amin’ny rano ianao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia ampanatony i Arona sy ireo zanany hankeo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ka ampandroy amin’ny rano. DIEM PROTESTANTA «Hoentinao i Aharôna sy ny zanany lahy hankeo amin’ny fidirana amin’ny Tranolay fihaonana, ary hampandroinao amin’ny rano. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Hoentinao i Aharôna sy ny zanany lahy hankeo amin’ny fidirana amin’ny Tranolay fihaonana, ary hampandroinao amin’ny rano. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin’ny rano izy. Malagasy Bible Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy. La Bible en Malgache Dia ampanatony i Arona sy ireo zanany hankeo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ka ampandroy amin’ny rano. |
Hasainao mandroso eo anoloan’ny trano lay fihaonana ny Levita, ary hovorìnao ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra.
Nony vita batemy i Jesoa, dia niala avy teo anaty rano niaraka tamin’izay. ary indro nisokatra taminy ny lanitra, ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny.
«Ny Fanahy Masina, hoy ny Anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.
Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,
fa rehefa feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna,