Ianao manainga ny tehinao sy maninjira ny tananao eo ambonin’ny ranomasina dia hampisaraka roa azy; ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina,
Eksodosy 4:20 - Baiboly Katolika Dia nalain’i Môizy ny vady aman-janany, nampitaingenany ampondra, ka niverina ho any an-tany Ejipta izy. Nataon’i Môizy an-tanany ny tehin’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nalain’i Mosesy ny vadiny sy ireo zanany lahy ka nampitaingeniny boriky dia niverina ho any amin’ny tany Ejipta izy. Ary noentin’i Mosesy teny an-tanany ilay tehin’Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA Koa nalain’i Mosesy ny vadiny aman-janany, natainginy teo amin’ny borikiny, dia niverina ho any Ejipta izy. Ary nataony an-tanana koa ilay tehina nasain’Andriamanitra nentiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa nalain’i Mosesy ny vadiny aman-janany, natainginy teo amin’ny borikiny, dia niverina ho any Ejipta izy. Ary nataony an-tanana koa ilay tehina nasain’Andriamanitra nentiny. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nalain’i Mosesy ny vadiny sy ny zanani-lahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin’ny tany Egypta izy; ary nentin’i Mosesy teny an-tànany ilay tehin’Andriamanitra. Malagasy Bible Dia nalain'i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin'ny tany Egypta izy; ary nentin'i Mosesy teny an-tànany ilay tehin'Andriamanitra. La Bible en Malgache Dia nalain’i Mosesy ny vadiny sy ireo zanany lahy ka nampitaingeniny boriky dia niverina ho any amin’ny tany Ejipta izy. Ary noentin’i Mosesy teny an-tanany ilay tehin’Andriamanitra. |
Ianao manainga ny tehinao sy maninjira ny tananao eo ambonin’ny ranomasina dia hampisaraka roa azy; ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina,
«Mifantena lehilahy ianao dia handeha hiady amin’i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon’ny havoana, mitana ny tehin’Andriamanitra ao an-tanako.»
ka nampilaza tamin’i Môizy hoe: «Tonga atỳ aminao aho, izaho Jetrô rafozanao mbamin’ny vadinao sy ny zanany roalahy miaraka aminy.»
Tera-dahy i Sefôrà ka nataon’i Môizy hoe Gersama ny anarany, fa hoy izy: «Vahiny atỳ an-tany hafa aho.»
Dia naingain’i Môizy ny tanany, ary nokapohiny indroa tamin’ny tehina ny vatolampy, ka niboika be dia be ny rano, dia nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Dia nandositra i Môizy nony nahare izany teny izany, ka nivahiny tany amin’ny tany Madiàna, ary niteraka zanaka roa lahy tany.»