Fa namaly azy aho, ka nanao taminy hoe: «Ny Andriamanitry ny lanitra no hanambina anay, ka dia hitsangan-kanorina izahay mpanompony; ary raha ianareo, dia tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema ianareo.»
Eksodosy 39:7 - Baiboly Katolika dia natao teo ambonin’ny soroky ny efôda ireo, ho vato fahatsiarovana ho an’ny zanak’i Israely, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nataony teo amin’ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. DIEM PROTESTANTA Napetaka teo ambony beritelon’ny efôda ireo vato ireo mba ho mariky ny fanatrehan’ny foko israelita 12, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Napetaka teo ambony beritelon’ny efôda ireo vato ireo mba ho mariky ny fanatrehan’ny foko israelita 12, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nataony teo amin’ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Isiraely, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. Malagasy Bible Ary nataony teo amin'ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. La Bible en Malgache Ary nataony teo amin’ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. |
Fa namaly azy aho, ka nanao taminy hoe: «Ny Andriamanitry ny lanitra no hanambina anay, ka dia hitsangan-kanorina izahay mpanompony; ary raha ianareo, dia tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema ianareo.»
Ataovy eo amin’ny soroky ny efôda ireo vato roa ireo, ho vato fahatsiarovana ny zanak’i Israely, fa hoentin’i Aarôna amin’ny sorony roa eo anatrehan’i Iaveh ny anaran’izy ireo ho fahatsiarovana.
Amin’izay i Aarôna, rehefa miditra ny Fitoerana Masina dia hitondra ny anaran’ny zanak’i Israely, manolotra ny fony, amin’ny saron-tratra fitsarana, ho fahatsiarovana mandrakizay, eo anatrehan’i Iaveh.
Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ity Evanjely ity amin’izao tontolo izao, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao ho fankalazana azy.»
dia valio hoe: Tapaka teo anoloan’ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ny ranon’i Jordany, fa nony nita an’i Jordany ny fiara dia tapaka ny ranon’i Jordany; ka fahatsiarovana mandrakizay ho an’ny zanak’i Israely ireto vato ireto.»