Ary tsara ny volamena amin’izany tany izany. Any koa no misy ny bdeliôma sy ny vato ôniksa.
Eksodosy 39:13 - Baiboly Katolika andalana fahefatra: krizôlita, berila, jaspa. Samy voahodidina rôzy kely volamena ireo vato ireo avy, teo amin’izay nandatsahana azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary ny andalana fahefatra dia krizolita sy berila ary jaspy. Nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy. DIEM PROTESTANTA ary ny laharana fahefatra dia krizôlita sy berila ary jaspa. Samy napetaka anaty bokom-bolamena avy ny vato tsirairay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary ny laharana fahefatra dia krizôlita sy berila ary jaspa. Samy napetaka anaty bokom-bolamena avy ny vato tsirairay. Baiboly Protestanta Malagasy ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy. Malagasy Bible ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy. La Bible en Malgache ary ny andalana fahefatra dia krizolita sy berila ary jaspy. Nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy. |
Ary tsara ny volamena amin’izany tany izany. Any koa no misy ny bdeliôma sy ny vato ôniksa.
Nanao izay tratry ny aiko aho namonona izay hanaovana ny tranon’Andriamanitra, dia volamena hanaovana ny fanaka volamena, volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, varahina hanaovana ny fanaka varahina, vy hanaovana ny fanaka vy, hazo hanaovana ny fanaka hazo, vato berila sy vato fandatsaka an-tranontranony, vato fanao ravaka sy samihafa volo, vato soa isan-karazany, ary vato marbra ankabetsahany.
Tahaka ny fikapa vato sarobidy sy fisikotra fanombohan-kase aminy, no ho fisikotrao ny anaran’ny zanak’i Israely amin’ireo vato roa ireo, ary hasianao randram-bolamena manodidina izy.
Nifanerana tamin’ny anaran’ny zanak’i Israely ny isan’izy ireo, fa nisy roa ambin’ny folo, toraky ny anaran’ireo, voasikotra toy ny amin’ny fanombohan-kase izy, ka samy nisy anarana iray avy tamin’ny foko roa ambin’ny folo.
Ny tanany dia anja-bolamena, voaisy vatosoa avy any Tarsisa: ny tratrany taozavatra ivoara kanto indrindra, voaisy safira betsaka.
Ka ny fijery an’ireo kodiarana ireo, sy ny tarehiny, dia tahaka ny an’ny vaton’i Tarsisa, ary sahala daholo izy efatra; ny fijery azy aman-tarehiny dia hoatra ny kodiarana itsofohan-kodiarana hafa ao afovoany.
sardôniksa ny fahadimy, sardoana ny fahenina, krisôlita ny fahafito, berila ny fahavalo, tôpazy ny fahasivy, krisôpazy ny fahafolo, hiasenty ny faharaika ambin’ny folo, ary ametista ny faharoa ambin’ny folo.