Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 38:9 - Baiboly Katolika

Dia nanao ny kianja izy. Ny fefy lamba tamin’ny lafiny atsimo, ao ankavanana, dia zato hakiho ny halavany; rongony madio mihasina no nanaovana azy;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanao ny kianja izy: Tamin’ny lafiny atsimo dia nisy fefy lamba zato hakiho natao tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny fonena-masina dia nohodidinina kianja izay nofefena temitra vita amin’ny kiran-drongony mafy. Tamin’ny lafiny atsimo, dia nivelatra dimampolo metatra ny halavan’ny temitra;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny fonena-masina dia nohodidinina kianja izay nofefena temitra vita amin’ny kiran-drongony mafy. Tamin’ny lafiny atsimo, dia nivelatra dimampolo metatra ny halavan’ny temitra;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanao ny kianja izy: tamin’ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin’ny kianja natao tamin’ny rongony fotsy madinika voahasina;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanao ny kianja izy: tamin'ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin'ny kianja natao tamin'ny rongony fotsy madinika voahasina;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanao ny kianja izy: Tamin’ny lafiny atsimo dia nisy fefy lamba zato hakiho* natao tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona

Jereo ny toko



Eksodosy 38:9
13 Rohy Ifampitohizana  

Vato voapaika telo andalana, sy sakamandimby sedera iray andalana no nataony kianja anatiny.


Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany.


Ianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo, ka tsinjovy ny tavan’ilay Voahosotrao!


Mahatehotia loatra ny fonenanao, Ry Iavehn’ny tafika!


Fa iza any an-danitra no hitaha amin’i Iaveh? Iza amin’ireo zanak’Andriamanitra no manahaka an’i Iaveh?


Ny marina hitombo tahaka ny rofia; hisondrotra tahaka ny sedera any Libàna izy.


«Ny hanaovana ny Fonenana dia ambainy folo; ny hanaovana azy ireo dia amin’ny rongony madinika voahasina, sy amin’ny jaky volomparasy, amin’ny kajy mangatrakatraka, ary amin’ny lamba mena antitra, asiana kerobima, asan-tanan’ny mpanenona mahay.


roapolo ny andriny, roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.


Ary nanangana ny kianja manodidina ny Fonenana sy ny ôtely izy, sy nanantona ny lamba amin’ny vavahadin’ny kianja. Toy izany no nahavitan’i Môizy izany raharaha izany.


Hatsanganao ny kianja manodidina dia hataonao amin’ny kianja ny vavahady lamba.


ny fefy lamban’ny kianja, sy ny vavahady lamba amin’ny kianja izay manodidina ny Fonenana sy ny ôtely, ary ny kofehy rehetra ilaina aminy.


ny fefy lamban’ny kianja manodidina ny Fonenana sy ny ôtely, ary ny kofehy amam-panaka rehetra momba azy; dia izy ireo no hanao ny fanompoana rehetra momba izany.