Ny andriny rehetra manodidina ny kianja, dia hakamban’ny anja-bolafotsy, sy hasiana faraingo volafotsy, ary hisy varahina avokoa.
Eksodosy 38:28 - Baiboly Katolika Ary ny dimy amby fitopolo sy fiton-jato amby arivo sikla, nanaovana ny faraingo amin’ny andry, sy ny peta-bolafotsy amin’ny koronosin’ny lohan’ny andry, ary ny anjaka itohizany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Sekela dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo no nanamboarany ny fihantonana tamin’ny andry sy nametahana takelaka tamin’ny lohany ary nanaovany ny farango hitohizany. DIEM PROTESTANTA Ny 17 kilao sisa kosa dia nanaovana ny farangon’ny andry sy nandrakofana ny lohan’ny andry mbamin’ireo anjaka nampitohy ny andry. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny 17 kilao sisa kosa dia nanaovana ny farangon’ny andry sy nandrakofana ny lohan’ny andry mbamin’ireo anjaka nampitohy ny andry. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’ny sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana tamin’ny andry, sy nametahana takela-bola tamin’ny lohany, ary nanaovany ny anjaka hitohizany. Malagasy Bible Ary tamin'ny sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana tamin'ny andry, sy nametahana takela-bola tamin'ny lohany, ary nanaovany ny anjaka hitohizany. La Bible en Malgache Sekela dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo no nanamboarany ny fihantonana tamin’ny andry sy nametahana takelaka tamin’ny lohany ary nanaovany ny farango hitohizany. |
Ny andriny rehetra manodidina ny kianja, dia hakamban’ny anja-bolafotsy, sy hasiana faraingo volafotsy, ary hisy varahina avokoa.
Ny volafotsy talenta zato narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba, faladia zato araka ny talenta, talenta iray isam-paladia.
Ny varahina naterin’ny olona, nahatratra talenta fitopolo ary sikla efajato amby roa arivo.