Nanao koronosy varahina anidina roa izy teo an-tampon’ireo andry; dimy hakiho ny haavon’ny koronosy iray, ary dimy hakiho ny haavon’ny koronosy hafa.
Eksodosy 38:19 - Baiboly Katolika varahina ny andriny efatra sy ny faladiany efatra; volafotsy ny faraingony sy ny anjaka itohizany, ary voapetaka takela-bolafotsy ny koronosy amin’ny lohany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Efatra ny andriny, ary efatra ny faladiany varahina; ny fihantonany dia volafotsy; ny takelaka tamin’ny lohany sy ny farango hitohizany koa dia volafotsy. DIEM PROTESTANTA Andry efatra misy faladiany halimo efatra no nametahana azy; volafotsy ny farangony sady norakofana volafotsy koa ny lohan’ny andry sy ny anjany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Andry efatra misy faladiany halimo efatra no nametahana azy; volafotsy ny farangony sady norakofana volafotsy koa ny lohan’ny andry sy ny anjany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin’ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa. Malagasy Bible Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin'ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa. La Bible en Malgache Efatra ny andriny, ary efatra ny faladiany varahina; ny fihantonany dia volafotsy; ny takelaka tamin’ny lohany sy ny farango hitohizany koa dia volafotsy. |
Nanao koronosy varahina anidina roa izy teo an-tampon’ireo andry; dimy hakiho ny haavon’ny koronosy iray, ary dimy hakiho ny haavon’ny koronosy hafa.
Hasianao andriny roapolo misy faladia varahina roapolo io lafiny iray io, ka hatao volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.
Ny lamba varavarana tamin’ny vavahadin’ny kianja dia asan-tenona misoratsoratra, natao tamin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina; roapolo hakiho ny halavany, dimy hakiho ny haavony, tahaka ny sakan’ny fefy lamba amin’ny kianja;