Hasianao andriny roapolo misy faladia varahina roapolo io lafiny iray io, ka hatao volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.
Eksodosy 38:11 - Baiboly Katolika Tamin’ny lafiny avaratra, zato hakiho ny fefy lamba, roapolo ny andriny, roapolo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny lafiny avaratra koa dia nisy fefy lamba zato hakiho ka roapolo ny andriny ary roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny fihantonany amin’ny andriny sy ny farango hitohizany. DIEM PROTESTANTA Tahaka izany koa ny lafiny avaratra, ka nivelatra dimampolo metatra ny halavan’ny temitra ary nitovy tamin’ny teo ihany ny fanantonana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tahaka izany koa ny lafiny avaratra, ka nivelatra dimampolo metatra ny halavan’ny temitra ary nitovy tamin’ny teo ihany ny fanantonana azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin’ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany. Malagasy Bible Ary tamin'ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany. La Bible en Malgache Tamin’ny lafiny avaratra koa dia nisy fefy lamba zato hakiho ka roapolo ny andriny ary roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny fihantonany amin’ny andriny sy ny farango hitohizany. |
Hasianao andriny roapolo misy faladia varahina roapolo io lafiny iray io, ka hatao volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.
roapolo ny andriny, roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.
Tamin’ny lafiny andrefana, dimampolo hakiho ny fefy lamba, folo ny andriny ary folo ny faladiany.