Eksodosy 37:7 - Baiboly Katolika Nanao kerobima volamena roa izy, nataony volamena an-tefiny, tao amin’ny tendrony roa amin’ny fanaovam-panavotana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanao kerobima volamena roa izy; iray vongana amin’ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany azy roa, DIEM PROTESTANTA Nanefeny kerobima roa volamena tamin’ny sakany roa teo ambonin’ny saron’ny Vatamasina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanefeny kerobima roa volamena tamin’ny sakany roa teo ambonin’ny saron’ny Vatamasina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanao kerobima volamena roa izy; voasana no nanaovany azy roa miray amin’ny lohany roa amin’ny rakotra fanaovam-panavotana: Malagasy Bible Ary nanao kerobima volamena roa izy; voasana no nanaovany azy roa miray amin'ny lohany roa amin'ny rakotra fanaovam-panavotana: La Bible en Malgache Dia nanao kerobima* volamena roa izy; iray vongana amin’ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany azy roa, |
Nanao fanaovam-panavotana tamin’ny volamena madio izy; roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany.
Ny kerobima iray amin’ny tendrony iray ary ny kerobima iray amin’ny tendrony iray hafa, nataony tafahoatra ny fanaovam-panavotana eo amin’ny tendrony roa avy ny kerobima.
Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika: «Mandehana ho ao anelanelan’ny kodiarana, ambanin’ny Kerobima; fenoy vain’afo avy eo anelanelan’ny Kerobima ny tanan-droanao, ka afafazo amin’ny tanàna izany.» Dia nankao izy teo imasoko.