Hopetahanao takela-bolamena madio ny tampony, ny lafiny manodidina, ny tandrony, ary hasianao koronosy volamena manodidina izy.
Eksodosy 37:2 - Baiboly Katolika Nopetahany takela-bolamena madio ny atiny sy ny ivelany, nasiany tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 nopetahany takelaka volamena tsy miharo tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany sisiny volamena manodidina. DIEM PROTESTANTA Norakofan’i Betsalela takela-bolamena madio ny atiny sy ny ivelany, ary nasiany sisiny volamena manodidina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Norakofan’i Betsalela takela-bolamena madio ny atiny sy ny ivelany, ary nasiany sisiny volamena manodidina. Baiboly Protestanta Malagasy ary nopetahany takela-bolamena tsara tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany koronosy volamena manodidina. Malagasy Bible ary nopetahany takela-bolamena tsara tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany koronosy volamena manodidina. La Bible en Malgache nopetahany takelaka volamena tsy miharo tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany sisiny volamena manodidina. |
Hopetahanao takela-bolamena madio ny tampony, ny lafiny manodidina, ny tandrony, ary hasianao koronosy volamena manodidina izy.
Hazo akasià no nanaovan’i Beseleela ny fiara: roa hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.
Nandrendrika masom-bolamena efatra ho azy izy, nataony tamin’ny tongony efatra: masom-bolamena roa tamin’ny ilany iray, masom-bolamena roa tamin’ny ilany iray hafa.