Navitrana ho iray ny dimy tamin’ireo ambainy ireo, dia navitrana ho iray koa ny dimy sisa.
Eksodosy 36:9 - Baiboly Katolika Valo amby roapolo hakiho no halavan’ny ambainy iray ary efatra hakiho no sakany; mitovy avokoa ny haben’ny ambainy rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny halavan’ny ambainy iray dia valo amby roapolo hakiho ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho: Nitovy refy ny ambainy rehetra. DIEM PROTESTANTA Nitovy refy avokoa ny lamba temitra rehetra, ka 14 metatra ny lavany, ary roa metatra ny sakany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitovy refy avokoa ny lamba temitra rehetra, ka 14 metatra ny lavany, ary roa metatra ny sakany. Baiboly Protestanta Malagasy Ny halavan’ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra. Malagasy Bible Ny halavan'ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra. La Bible en Malgache Ny halavan’ny ambainy iray dia valo amby roapolo hakiho* ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho: Nitovy refy ny ambainy rehetra. |
Navitrana ho iray ny dimy tamin’ireo ambainy ireo, dia navitrana ho iray koa ny dimy sisa.
Ny olo-mahay rehetra tamin’izay niasa tamin’io raharaha io, no nanao ny Fonenana tamin’ny ambainy folo: rongony madinika mihasina, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, mbamin’ny kerobima no nanaovany azy; asan’ny mpanenona mahay.