Eksodosy 36:19 - Baiboly Katolika Hoditr’ondralahy voasoka mena no natao firakotry ny lay, ary nisy firakotra hodi-dogaona iray koa tambonin’io. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nataony tamin’ny hoditr’ondrilahy voaloko mena ny rakotry ny lay, ary sarona hoditra trozona no ho eo amboniny. DIEM PROTESTANTA Mba hiarovana ny lay faharoa, dia nanao sarona hoditr’ondry miloko mena sy sarona hoditra mafy izy, ka narakony teo amboniny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mba hiarovana ny lay faharoa, dia nanao sarona hoditr’ondry miloko mena sy sarona hoditra mafy izy, ka narakony teo amboniny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanao rakotry ny lay tamin’ny hoditr’ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny. Malagasy Bible Ary nanao rakotry ny lay tamin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny. La Bible en Malgache Nataony tamin’ny hoditr’ondrilahy voaloko mena ny rakotry ny lay, ary sarona hoditra trozona no ho eo amboniny. |
«Hanao rakony hoditr’ondralahy voasoka mena ianao hatao amin’ny lay, ary rakony hodi-dogaona koa eo ambonin’io.»
Natao koa ny hazo fisaka momba ny Fonenana; hazo fisaka tamin’ny hazo akasià, natao mitsangana.