Hitan’ny zanak’i Israely ny tarehin’i Môizy, fa nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavan’i Môizy, ka dia saronan’i Môizy voaly indray ny tarehiny mandra-pidiny hiresaka amin’i Iaveh.
Eksodosy 34:34 - Baiboly Katolika Raha niditra eo anatrehan’i Iaveh i Môizy hiresaka aminy dia nesoriny ny voaly, mandra-pivoakany. Raha efa izany dia nivoaka izy ary nanambara tamin’ny zanak’i Israely ny didy azony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa niditra teo anatrehan’NY TOMPO i Mosesy hiteny Aminy dia nanaisotra ny saron-tava mandra-pialany teo. Dia niala teo izy ka nilaza tamin’ny Zanak’Israely izay nandidiana azy. DIEM PROTESTANTA Hatreo dia esorin’i Mosesy ny voaly manarona ny tarehiny isaky ny tonga eo anatrehan’ny TOMPO izy hiresaka aminy. Rehefa mivoaka ny tranolay hampita ny baiko voarainy ho an’ny Israelita izy, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hatreo dia esorin’i Mosesy ny voaly manarona ny tarehiny isaky ny tonga eo anatrehan’ny TOMPO izy hiresaka aminy. Rehefa mivoaka ny tranolay hampita ny baiko voarainy ho an’ny Israelita izy, Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha niditra teo anatrehan’i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin’ny Zanak’Isiraely izay efa nandidiana azy. Malagasy Bible Ary raha niditra teo anatrehan'i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely izay efa nandidiana azy. La Bible en Malgache Ary rehefa niditra teo anatrehan’NY TOMPO i Mosesy hiteny Aminy dia nanaisotra ny saron-tava mandra-pialany teo. Dia niala teo izy ka nilaza tamin’ny Zanak’Israely izay nandidiana azy. |
Hitan’ny zanak’i Israely ny tarehin’i Môizy, fa nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavan’i Môizy, ka dia saronan’i Môizy voaly indray ny tarehiny mandra-pidiny hiresaka amin’i Iaveh.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.