Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 33:8 - Baiboly Katolika

Nony injay miainga i Môizy ho ao an-trano lay fihaonana, ny vahoaka rehetra kosa samy mitsangana eo am-baravaran’ny lay manara-maso an’i Môizy mandra-pidiny ao an-trano lay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa nankeo amin’ny tranolay i Mosesy dia nitsangana ny olona rehetra ka samy nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolainy avy, ary nitazana an’i Mosesy mandra-pahatongany ao amin’ny tranolay.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa mankany i Mosesy, dia mitsangana avokoa ny olona mankeo am-baravaran’ny tranolainy avy, ka mijery an’i Mosesy ambara-pidiny ao amin’ny tranolay masina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa mankany i Mosesy, dia mitsangana avokoa ny olona mankeo am-baravaran’ny tranolainy avy, ka mijery an’i Mosesy ambara-pidiny ao amin’ny tranolay masina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha nivoaka ho eo amin’ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny lainy avy, dia nitazana an’i Mosesy mandra-pahatongany ao amin’ny lay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha nivoaka ho eo amin'ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy, dia nitazana an'i Mosesy mandra-pahatongany ao amin'ny lay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa nankeo amin’ny tranolay i Mosesy dia nitsangana ny olona rehetra ka samy nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolainy avy, ary nitazana an’i Mosesy mandra-pahatongany ao amin’ny tranolay.

Jereo ny toko



Eksodosy 33:8
3 Rohy Ifampitohizana  

Nalain’i Môizy ny trano lay, naoriny eo ivelan’ny toby, lavidavitra ihany, nataony hoe: ny trano lay fihaonana no anarany; ary na zovy na zovy nitady an’i Iaveh dia nankeo amin’ny trano lay fihaonana teo ivelan’ny toby.


Raha vao tafiditra ao an-day i Môizy, ny andry rahona midina mijanona eo anoloan’ny trano lay, ary i Iaveh miresaka amin’i Môizy.


Nihatahan’ny olona ny manodidina ny fonenan’i Kôre sy i Datàna ary i Abirôna. Dia nivoaka i Datàna sy i Abirôna, ary nitoetra teo am-baravaran’ny lainy, niaraka tamin’ny vady aman-janany sy ny zafiny.