Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 33:6 - Baiboly Katolika

Dia nesorin’ny zanak’i Israely ny fihaingoany, hatreo an-tendrombohitra Horeba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanala ny firavany ny Zanak’Israely nanomboka hatreo amin’ny tendrombohitra Horeba.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Noho izany, raha vao niala tao an-tendrombohitra Hôreba ireo Israelita, dia nanaisotra ny haingony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho izany, raha vao niala tao an-tendrombohitra Hôreba ireo Israelita, dia nanaisotra ny haingony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny Zanak’Isiraely dia nanala ny firàvany hatreo an-tendrombohitra Horeba.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny Zanak'Isiraely dia nanala ny firavany hatreo an-tendrombohitra Horeba.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanala ny firavany ny Zanak’Israely nanomboka hatreo amin’ny tendrombohitra Horeba.

Jereo ny toko



Eksodosy 33:6
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Môizy niandry ny biby fiompin’i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiàna. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, tany Horeba, izy.


Dia samy nanesotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny avokoa ny olona ka nitondra azy teo amin’i Aarôna.


Nony nandre izany teny mafy izany ny vahoaka dia nisaona tsy nisy nitafy ny fihaingoany intsony.


Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Vahoaka mafy hatoka ianareo, ka raha miakatra Aho eo afovoanareo, na dia indray mipi-maso aza, dia holevoniko ianareo, koa apetraho amin’izao ny fihaingoanareo, dia ho fantatro izay hataoko.»


Nalain’i Môizy ny trano lay, naoriny eo ivelan’ny toby, lavidavitra ihany, nataony hoe: ny trano lay fihaonana no anarany; ary na zovy na zovy nitady an’i Iaveh dia nankeo amin’ny trano lay fihaonana teo ivelan’ny toby.


Ny haratsianao no mamely anao, ary ny fiodinanao no manafay anao. Koa fantaro sy jereo, fa ratsy sady mangidy manao ahoana, ny nahafoizanao an’i Iaveh Andriamanitrao, sy ny tsy nanananao tahotra Ahy kely akory, - teny marin’ny Tompo Iavehn’ny tafika. -


Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.