Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 3:22 - Baiboly Katolika

Samy hangataka fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fitafiana, amin’izay mifanolo-bodirindrina aminy sy amin’izay miray trano aminy avy, ny vehivavy, hataonareo amin’ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy; ka dia hambabo an’i Ejipta ianareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa ny vehivavy dia samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin’ny mpiray monina aminy sy amin’izay mivahiny ao an-tranony; dia hampanaovinareo ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy izany ka hofoananareo ny harenan’i Ejipta.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny vehivavy israelita tsirairay avy dia samy hangataka amin’ny vehivavy ejiptianina ao aminy na manodidina azy firavaka volafotsy sy volamena mbamin’ny fitafiana. Hampitondrainareo ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo ireny, ka hataonareo fongana ny Ejiptianina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny vehivavy israelita tsirairay avy dia samy hangataka amin’ny vehivavy ejiptianina ao aminy na manodidina azy firavaka volafotsy sy volamena mbamin’ny fitafiana. Hampitondrainareo ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo ireny, ka hataonareo fongana ny Ejiptianina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin’ny miray monina aminy sy amin’izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin’ny zanakareo-lahy sy ny zanakareovavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ny miray monina aminy sy amin'izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa ny vehivavy dia samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin’ny mpiray monina aminy sy amin’izay mivahiny ao an-tranony; dia hampanaovinareo ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy izany ka hofoananareo ny harenan’i Ejipta.

Jereo ny toko



Eksodosy 3:22
9 Rohy Ifampitohizana  

Fa hotsaraiko ny firenena izay hanandevo azy, ka rehefa afaka izy ireo dia hivoaka avy any mitondra harem-be.


Ary navoakany ny firavaka volafotsy sy firavaka volamena, mbamin’ny fitafiana, ka nomeny an-dRebekà; sady notolorany fanomezana sarobidy koa ity anadahiny sy ny reniny.


Dia nentiny nivoaka ny vahoakany nitondra volafotsy sy volamena, ary tsy nisy nangozohozo tamin’ireo fokony, na dia iray aza.


Koa ilazao ny vahoaka mba samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena avy, ny lehilahy amin’ny lehilahy mifanolotra aminy; ny vehivavy amin’ny vehivavy mifanolotra aminy.»


Ny mpanao soa mamela lova ho an’ny zanaky ny zanany; fa ny haren’ny mpanota kosa, voatendry ho an’ny marina.


«Loza ho anao, ry mpandrava, mbola tsy noravana, ry mpandroba, tsy mbola norobaina! Rehefa nitsahatra ny nandrava ianao, dia horavana; rehefa tapi-nandroba ianao, dia horobaina.»


Tsy hitondra kitay hazo avy any an-tsaha intsony izy ireo, na hikapa hazo any an’ala, fa ny fiadiana no hatainy; hamabo an’izay namabo azy izy; ary handroba an’izay nandroba azy, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -