Hasianao tadivavarana dimampolo ny vavan’ny ambainy sisin’ireo navitrana voalohany ary dimampolo koa amin’ny vavan’ireo navitrana faharoa.
Eksodosy 26:9 - Baiboly Katolika Ny ambainy dimy amin’izy ireo havitranao manokana koa, ary haforitrao eo anoloan’ny lay ny ambainy fahenina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Avitrano hikambana ny ambainy dimy ary avitranao hikambana koa ny ambainy enina. Aforeto ny ambainy fahenina amin’ny sakan’ny lay eo anoloana. DIEM PROTESTANTA Hatambatra ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia hatao toy izany koa ny enina hafa, ka ny lamba temitra fahenina dia haforitra eo anoloan’ny tranolay masina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hatambatra ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia hatao toy izany koa ny enina hafa, ka ny lamba temitra fahenina dia haforitra eo anoloan’ny tranolay masina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin’ny sakan’ny ay anatrehana. Malagasy Bible Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin'ny sakan'ny lay anatrehana. La Bible en Malgache Avitrano hikambana ny ambainy dimy ary avitranao hikambana koa ny ambainy enina. Aforeto ny ambainy fahenina amin’ny sakan’ny lay eo anoloana. |
Hasianao tadivavarana dimampolo ny vavan’ny ambainy sisin’ireo navitrana voalohany ary dimampolo koa amin’ny vavan’ireo navitrana faharoa.
«Hanao ambainy amin’ny volon’osy koa ianao, hatao lay ao ambonin’ny Fonenana, hataonao iraika ambin’ny folo ambainy izy,
telopolo hakiho no ho lavan’ny ambainy iray, ary efatra hakiho no ho sakan’ny ambainy iray; ampitovîna daholo ny haben’ireo ambainy iraika ambin’ny folo ireo.