Eksodosy 26:4 - Baiboly Katolika Hasianao tadivavarana jaky volomparasy ny sisiny iafaran’ireo ambainy navitrana voalohany ireo, dia hasianao toy izany koa ny sisiny iafaran’ireo ambainy navitrana faharoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin’ny ambainy iray, eo an-tsisin’ny iray efa voavitrana; manaova toy izany koa amin’ny ambainy farany, eo an-tsisin’ny iray efa voavitrana koa. DIEM PROTESTANTA Hopetahana kofehy volon’ondry miloko volomparasy ny sisin-damba farany amin’ny vitrana voalohany, ary hatao toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin’ny vitrana faharoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hopetahana kofehy volon’ondry miloko volomparasy ny sisin-damba farany amin’ny vitrana voalohany, ary hatao toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin’ny vitrana faharoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin’ny ambainy iray, dia eo an-tsisin’ny anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin’ny ambainy farany, dia eo an-tsisin’ny anankiray efa voavitrana koa. Malagasy Bible Ary manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin'ny ambainy iray, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin'ny ambainy farany, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa. La Bible en Malgache Manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin’ny ambainy iray, eo an-tsisin’ny iray efa voavitrana; manaova toy izany koa amin’ny ambainy farany, eo an-tsisin’ny iray efa voavitrana koa. |
Hataonao dimampolo ny tadivavarana amin’ny ambainy voalohany, ary hataonao dimampolo koa ny tadivavarana amin’ny sisiny iafaran’ny ambainy navitrana faharoa, ary hifanandrify ireo tadivavarana ireo.
Nasiana tadivavarana dimampolo ny vavan’ny ambainy, sisin’ny voavitrana anankiray, ary nasiana tadivavarana dimampolo koa ny vavan’ny ambainy farany sisin’ny voavitrana faharoa.