dia nilaza tamin’ireto mpanompony i Abrahama nanao hoe: «Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo, fa izaho sy ny zaza dia mikasa ho erỳ hivavaka, vao hiverina eto aminareo indray.»
Eksodosy 24:14 - Baiboly Katolika Hoy izy tamin’ireo loholona: «Andraso eto izahay mandra-piverinay atỳ aminareo. Ary indreo i Aarôna sy i Hora eto aminareo, ka raha misy manana ady dia aoka hanatona azy ireo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy izy tamin’ny loholona: Andraso eto izahay mandra-piverinay eto aminareo. Indro i Arona sy i Hora dia eto aminareo; koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin’izy roalahy izy. DIEM PROTESTANTA rehefa avy nilaza tamin’ny loholona hoe: «Andraso eto izahay mandra-piverinay. Indreo i Aharôna sy i Hora hijanona miaraka aminareo; koa raha misy manana olana, dia manatòna azy roa lahy.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara rehefa avy nilaza tamin’ny loholona hoe: «Andraso eto izahay mandra-piverinay. Indreo i Aharôna sy i Hora hijanona miaraka aminareo; koa raha misy manana olana, dia manatòna azy roa lahy.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy tamin’ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin’izy roa lahy izy. Malagasy Bible Ary hoy izy tamin'ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin'izy roa lahy izy. La Bible en Malgache Ary hoy izy tamin’ny loholona: Andraso eto izahay mandra-piverinay eto aminareo. Indro i Arona sy i Hora dia eto aminareo; koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin’izy roalahy izy. |
dia nilaza tamin’ireto mpanompony i Abrahama nanao hoe: «Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo, fa izaho sy ny zaza dia mikasa ho erỳ hivavaka, vao hiverina eto aminareo indray.»
Dia nataon’i Jôsoe izay nandidian’i Môizy azy, dia niady tamin’i Amaleka izy; fa i Môizy sy i Aarôna ary i Hora kosa niakatra tany an-tampon’ny havoana.
Nony efa vizana ny tanan’i Môizy, naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany, ary i Aarôna sy i Hora kosa nanohana ny tanany avy eo ankilany avy, ka tsy niketraka ny tanany mandra-pilentiky ny masoandro.
Raha manana ady izy ireo, dia mankatỳ amiko, ka mitsara azy aho sy mampahalala ny didy aman-dalàn’Andriamanitra.»
Nony hitan’ny vahoaka fa efa naharitra ela i Môizy nefa mbola tsy nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nivory teo amin’i Aarôna izy, ka nanao taminy hoe: «Ndeha anaovy andriamanitra hialoha lalana anay izahay. Fa raha ny amin’iny Môizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, tsy fantatray na naninona izy na naninona.»
Ary midìna alohako any Galgalà, ary indro fa hidina aho hanatona anao, mba hanatitra sorona dorana sy fanati-panorenana. Dia miandrasa hafitoana mandra-pahatongako any aminao, dia holazaiko aminao izay tokony hataonao.»