Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 22:19 - Baiboly Katolika

«Ataovy maty izay olona miray amin’ny biby.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin’ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin’NY TOMPO ihany, dia ho voaozona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Izay manao sorona ho an’andriamani-kafa, afa-tsy amin’ny TOMPO irery ihany, dia haringana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Izay manao sorona ho an’andriamani-kafa, afa-tsy amin’ny TOMPO irery ihany, dia haringana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin’ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin’i Jehovah ihany, dia ho voaozaona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin'ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin'i Jehovah ihany, dia ho voaozona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin’ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin’NY TOMPO ihany, dia ho voaozona.

Jereo ny toko



Eksodosy 22:19
14 Rohy Ifampitohizana  

Novonoiny teo ambony ôtely daholo ny mpisoron’ny fitoerana avo izay teo; sady nandorany taolan’olona koa teo, vao niverina nankany Jerosalema izy.


ka na zovy na zovy tsy hitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia hatao maty mihitsy na kely na lehibe, na lahy na vavy.


Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.


Koa aza manao fanekena amin’ny mponina amin’ny tany, fandrao, rehefa mitolo-tena amin’ny andriamaniny ireny sy manolo-tsorona aminy, dia asainy koa ianao sy hihinana amin’ny sorony;


Ka dia tsy hanatitra intsony ny sorona ataony ho an’ny satira izay tompoiny izy. Lalàna tsy tapaka ho azy ireo hatrany amin’ny taranaka mifandimby izany.


Aza mandry amin’ny biby handoto tena aminy. Aoka ny vehivavy tsy hijanona eo anoloan’ny biby handoto tena aminy, fa zava-mahamenatra izany.


Voaloto ny tany, ka hovaliako ny helony, ary haloan’ny tany ny mponina eo aminy.


Nandritra ny fipetrahan’i Israely tao Setima, dia rafitra nijangajanga tamin’ny zanaka vavin’i Moaba ny vahoaka,


Angony eo afovoan’ny kianja ny babo rehetra avy ao, dia dory amin’ny afo tsy hisy miangana ny tanàna mbamin’ny babo rehetra avy ao, ho an’i Iaveh Andriamanitrao, ho kila hotohoto mandrakizay ny sisan’ny tanàna; tsy haorina intsony.


sady tanteraka tokoa ny famantarana na ny zava-mahatalanjona nolazainy, nataony hoe: Andeha hanatona andriamani-kafa sy hanompo azy, nefa andriamanitra tsy fantatrao izany,


Raha eo afovoanao, amin’ny iray amin’ny tanànanao izay omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, no misy lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fivadihana ny fanekeny,


dia avoahy eo am-bavahady izay lehilahy na vehivavy meloka nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty na lehilahy na vehivavy.


Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny biby, na biby inona na biby inona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.