Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 22:14 - Baiboly Katolika

«Raha misy olona mindram-biby amin’ny namany, ka tapaka na maty ilay biby tsy teo anatrehan’ny tompony, dia hisy onitra;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha teo ihany ny tompony dia tsy hanonitra izy; ary raha biby nofaina kosa dia vitan’ny hofany ihany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa raha teo anatrehan’ny tompony kosa, dia tsy hanonitra ilay mpindrana; raha biby nofàna moa izany, dia ho vitan’ny hofany ihany ny onitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa raha teo anatrehan’ny tompony kosa, dia tsy hanonitra ilay mpindrana; raha biby nofàna moa izany, dia ho vitan’ny hofany ihany ny onitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha teo aminy ihany ny tompon-javatra, dia tsy hanonitra izy; ary raha zavatra ahofa kosa, dia vitan’ny hofany izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha teo aminy ihany ny tompon-javatra, dia tsy hanonitra izy; ary raha zavatra ahofa kosa, dia vitan'ny hofany izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha teo ihany ny tompony dia tsy hanonitra izy; ary raha biby nofaina kosa dia vitan’ny hofany ihany.

Jereo ny toko



Eksodosy 22:14
11 Rohy Ifampitohizana  

Hoy koa ny hafa: «Ny taninay aman-tanimboalobokay izao, efa nataonay antoky ny vola nosamborinay handoavana ny hetran’ny mpanjaka.


Ny ratsy fanahy misambotra, nefa tsy mamerina, fa ny marina kosa be antra ka manome.


dia hanonitra ny tompon-davaka, haloany volafotsy izay vidin’ny biby maty, ho azy».


dia ny fianianana amin’i Iaveh no hampanaovina amin’izy roa tonta hahalalàna raha noraisin’ny tanany ny fananan’ny namany, ary hanaiky izany ny tompom-biby, dia tsy hanonitra itsy anankiray.


Ary raha voaviraviram-biby masiaka ny biby, izay sisa tsy laniny no hoentiny ho vavolombelona, dia tsy hanonitra ilay biby voaviravira izy.»


fa raha teo anatrehan’ny tompony kosa, tsy hisy onitra. Ary raha biby nohofany, dia ny hofany no ho solon’ny onitra».


Izay mamono mahafaty biby fiompy, dia hanonitra mihoatra azy: aina solon’ny aina.


Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te hisambotra aminao.


Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny: dia ho lehibe ny valisoanareo, ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.


Ka toy izao no hanaovana ny fanafahana: ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola dia hanao famelana ny amin’izay nampisamboriny ny namany. Tsy hanery namana aman-drahalahiny izy rehefa voaantso ny fanafahan’i Iaveh.