«Raha misy olona mamely ny mason’ny ankizilahiny na ny ankizivaviny, ka mahajamba ny masony, dia halefany ho afaka izy ho onitry ny masony.
Eksodosy 21:27 - Baiboly Katolika Ary raha mahafa-nify iray amin’ny ankizilahiny na ny ankizivaviny izy, dia handefa azy ho afaka ho onitry ny nifiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha ny nifin’ny andevolahy na ny andevovavy no afany dia homeny fahafahana izy noho ny nifiny. DIEM PROTESTANTA Raha nahafaka ny nifiny izy, dia hanome fahafahana ho an’ilay mpanompony ihany koa ho onitry ny nifiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha nahafaka ny nifiny izy, dia hanome fahafahana ho an’ilay mpanompony ihany koa ho onitry ny nifiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha ny nifin’ny andevolahy na ny andevovavy no afany, dia halefany ho afaka koa izy noho ny nifiny. Malagasy Bible Ary raha ny nifin'ny andevolahy na ny andevovavy no afany, dia halefany ho afaka koa izy noho ny nifiny. La Bible en Malgache Ary raha ny nifin’ny andevolahy na ny andevovavy no afany dia homeny fahafahana izy noho ny nifiny. |
«Raha misy olona mamely ny mason’ny ankizilahiny na ny ankizivaviny, ka mahajamba ny masony, dia halefany ho afaka izy ho onitry ny masony.
«Raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia ny omby no hotoraham-bato sy tsy hohanin-kena, fa ny tompony ho afaka.