Dia hoy i Abrama tamin’i Lôta: «Aoka re tsy hifanditra izaho sy ianao, na ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao, fa mpirahalahy isika.
Eksodosy 2:14 - Baiboly Katolika Fa hoy ny navalin-dralehilahy: «Iza no nanangana an’ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay? Sa tadiavin’ialahy hovonoina koa aho, tahaka ny namonoan’ialahy ilay Ejiptianina?» Raiki-tahotra i Môizy, ka hoy izy: «Misy mahalala tokoa ilay zavatra.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy izy: Iza no nanendry an’Ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va Ialahy, tahaka ny namonoan’Ialahy ilay Ejiptiana? Dia raiki-tahotra i Mosesy ka niteny hoe: Hay tena fantatr’olona izany ny raharaha! DIEM PROTESTANTA Fa novaliany hoe: –Iza no nanendry anao ho lehibe hitsara ny adinay? Sa tadiavinao hovonoina ho faty toy ny namonoanao an’ilay Ejiptianina aho? Fantatr’i Mosesy tamin’izany fa nisy nahalala ilay raharaha ka raiki-tahotra izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa novaliany hoe: –Iza no nanendry anao ho lehibe hitsara ny adinay? Sa tadiavinao hovonoina ho faty toy ny namonoanao an’ilay Ejiptianina aho? Fantatr’i Mosesy tamin’izany fa nisy nahalala ilay raharaha ka raiki-tahotra izy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy izy: Iza no nanendry an’ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan’ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr’olona izany! Malagasy Bible Fa hoy izy: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr'olona izany! La Bible en Malgache Fa hoy izy: Iza no nanendry an’Ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va Ialahy, tahaka ny namonoan’Ialahy ilay Ejiptiana? Dia raiki-tahotra i Mosesy ka niteny hoe: Hay tena fantatr’olona izany ny raharaha! |
Dia hoy i Abrama tamin’i Lôta: «Aoka re tsy hifanditra izaho sy ianao, na ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao, fa mpirahalahy isika.
Hoy ny navalin’iretsy: «Mialà eo ialahy.» Sady nampiany hoe: «Vahiny ilay io no tonga tatỳ; nefa indro manao azy ho mpitsara izy. Iny àry hataonay mafimafy kokoa ny hanjò anao fa tsy tahaka azy ireo.» Dia nasian’izy ireo tosi-mahery i Lôta, ka nisesika hamaky ny varavarana izy.
Ny maty, nosavàn’ireto zanak’i Jakôba; ny tanàna, nobaboiny, noho ny nandotoana ny anabaviny.
Tahaka ny fieron’ny liona ny hatezeran’ny mpanjaka; ary tahaka ny ando amin’ny ahitra ny fanambinany.
Ny tahotra olombelona, misy fandrika anatiny; fa ny matoky amin’i Iaveh, no tafatoetra tsy misy hatahorany.
Tsy ampy va ny namoahanao anay tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay atỳ an’efitra, no dia manangan-tena ho lehibenay koa ianareo?
Nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo, ka nanao taminy hoe: «Aoka izay fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, ny olon-drehetra, ary eo afovoan’izy ireo i Iaveh. Nahoana ianareo no manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’i Iaveh?»
Ary rehefa tafiditra tao amin’ny Tempoly Izy ka nampianatra teo, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: «Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany fahefana izany?»
Fa hoy i Jesoa taminy: «Ralehilahy ô, iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?»
Fa nankahala azy kosa ny vahoaka iray tanindrazana aminy ka nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe: Tsy tianay hanjaka aminay iny lehilahy iny.
Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atỳ, ka vonoy eto anatrehako.
«Io ilay Môizy nolaviny sy nataony hoe: ‹Iza moa no nanendry an’ialahy ho mpifehy sy mpitsara?› Kanjo izy ihany no nirahin’Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nomban’ilay Anjely niseho taminy tao amin’ny hazo kely milobolobo.
Ny finoana no nialany tany Ejipta, tsy aman-tahotra ny fahatezeran’ny mpanjaka akory, fa nijoro toy ny mahita ilay tsy fahita izy.