Asio faritra manodidina ka lazao hoe: Tandremo mba tsy hiakatra ny tendrombohitra ianareo, na hikasika ny sisiny akory, fa hatao maty izay mikasika ny tendrombohitra, na iza na iza.
Eksodosy 19:23 - Baiboly Katolika Dia hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Tsy hahazo miakatra ny tendrombohitra Sinaia ny vahoaka, satria efa voararanao mafy izahay nilazanao hoe: Asio faritra manodidina ny tendrombohitra ka hamasino izy». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Tsy afaka miakatra ho eto amin’ny tendrombohitra Sinay ny olona, fa Ianao nandidy anay hoe: Fefeo ny tendrombohitra ka hamasino. DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Tsy afaka hiakatra eto Sinay ny vahoaka, satria Ianao ihany no efa nandidy anay mba hamaritra ny tendrombohitra ka hanavaka azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Tsy afaka hiakatra eto Sinay ny vahoaka, satria Ianao ihany no efa nandidy anay mba hamaritra ny tendrombohitra ka hanavaka azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Mosesy tamin’i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin’ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy. Malagasy Bible Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin'ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy. La Bible en Malgache Dia hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Tsy afaka miakatra ho eto amin’ny tendrombohitra Sinay ny olona, fa Ianao nandidy anay hoe: Fefeo ny tendrombohitra ka hamasino. |
Asio faritra manodidina ka lazao hoe: Tandremo mba tsy hiakatra ny tendrombohitra ianareo, na hikasika ny sisiny akory, fa hatao maty izay mikasika ny tendrombohitra, na iza na iza.
Ary hoy i Iaveh taminy: «Mandehana midina aloha, izay vao hiakatra indray miaraka amin’i Aarôna: fa ny mpisorona sy ny vahoaka, aoka tsy hihoatra ny faritra hankatỳ amin’i Iaveh fandrao vonoiny».