Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 19:17 - Baiboly Katolika

Nentin’i Môizy nivoaka ny toby ny vahoaka, handeha hihaona amin’Andriamanitra; dia teo ampototry ny tendrombohitra izy ireo no nijanona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nitondra ny olona niainga avy teo an-toby i Mosesy mba hihaona amin’Andriamanitra; nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nasain’i Mosesy nivoaka avy teo an-toby ny Israelita mba hihaona amin’Andriamanitra, ka nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nasain’i Mosesy nivoaka avy teo an-toby ny Israelita mba hihaona amin’Andriamanitra, ka nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin’Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin’ny tendrombohitra izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin'Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin'ny tendrombohitra izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nitondra ny olona niainga avy teo an-toby i Mosesy mba hihaona amin’Andriamanitra; nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo.

Jereo ny toko



Eksodosy 19:17
8 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hokasihin-tanana io, fa hotoraham-bato na hotrobarana ny zana-tsipîka: na biby na olona izy tsy azo velomina. Rehefa maneno ny trômpetra dia hiakatra ho eo an-tendrombohitra izy ireo.»


Nony marainan’ny andro fahatelo, dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina tao an-tendrombohitra, ary nisy feon’ny anjomara mafy nitatatata, ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra teo an-toby.


Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo, satria tanaty afo no nidinan’i Iaveh nankeo amboniny, ka nipololotra toy ny avy amin’ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihovotrovotra iray ihany ny tendrombohitra manontolo.


Dia nentin’izy ireo, ho eo anoloan’ny trano lay fihaonana izay rehetra nandidian’i Môizy azy, ary nanatona avokoa ny fiangonana rehetra ka nijanona teo anatrehan’i Iaveh.


Izy ihany koa, tamin’ny fiangonana tany an’efitra, nomban’ny Anjely niteny taminy teny an-tendrombohitra Sinaia sy ny razantsika, no nandray ny tenin’ny fiainana sy namindra azy tamintsika.


Tsarovy ny andro nisehoanao teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, tany Horeba, fony i Iaveh nilaza tamiko hoe: Angony ho atỳ amiko ny vahoaka fa hampandrenesiko azy ny teniko, mba hianarany matahotra Ahy, amin’ny andro rehetra hiainany eto ambonin’ny tany, sy hampianariny ny zanany koa.


Dia nanatona ianareo, ka nitoetra teo ambodin’ny tendrombohitra, ary ny tendrombohitra nirehitra afo nanakatra ny tampon’ny lanitra teo afovoan’ny haizina sy rahona amana haizim-pito.


ary nitsangana teo anelanelan’i Iaveh sy ianareo aho tamin’izay, mba hitondra aminareo ny teniny, fa natahotra ny afo ianareo ka tsy niakatra tany an-tendrombohitra. Izao no nolazainy: