Ary hoy i Iaveh: Iza no hanambaka an’i Akaba mba hiakarany any Ramôta any Galaada hahafaty azy any? Dia namaly izy ireo, nefa ny iray toy izao, ny iray toy izao.
Eksodosy 14:23 - Baiboly Katolika Nanenjika azy ny Ejiptianina, ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina avokoa ny soavalin’i Faraôna mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanenjika azy ireo ny Ejiptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina, dia ny soavalin’i Farao rehetra sy ny kalesy fitondra miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny. DIEM PROTESTANTA Nanenjika azy ny Ejiptianina; ny soavalin’ny farao rehetra mbamin’ny kalesiny sy ny mpitaingina azy dia samy nitsofoka nanaraka azy ireo tao afovoan’ny ranomasina avokoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanenjika azy ny Ejiptianina; ny soavalin’ny farao rehetra mbamin’ny kalesiny sy ny mpitaingina azy dia samy nitsofoka nanaraka azy ireo tao afovoan’ny ranomasina avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina, dia ny soavalin’i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsovaliny. Malagasy Bible Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina, dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny. La Bible en Malgache Dia nanenjika azy ireo ny Ejiptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina, dia ny soavalin’i Farao rehetra sy ny kalesy fitondra miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny. |
Ary hoy i Iaveh: Iza no hanambaka an’i Akaba mba hiakarany any Ramôta any Galaada hahafaty azy any? Dia namaly izy ireo, nefa ny iray toy izao, ny iray toy izao.
ary Izaho hanamafy ny fon’ny Ejiptianina hanarahany azy ireo avy eo aoriana, ary hataoko miharihary ny voninahitro eo amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra, mbamin’ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Ary hohamafisiko ny fon’i Faraôna ka hanenjika azy izy. Nefa hataoko miseho miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Iaveh Aho. Dia nataon’i zanak’i Israely izany.
Fa ny soavalin’i Faraôna sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny dia tafiditra ny ranomasina, ka nosaforan’i Iaveh ny ranon’ny ranomasina izy ireo, Ary ny zanak’i Israely kosa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina.»
Hoy ny fahavalo: ‹Hanenjika ka hahatratra, Dia hizara babo aho, Ho afa-diana aho amin’ny valy fatiko. Hotsoahako ny sabatra dia haringan’ny tanako ireny.›
Zavatra ratsy anankiray amin’izay rehetra atao atỳ ambany masoandro dia ny itovian’ny olombelona rehetra anjara; ka noho izany dia feno hasomparana ny fon’ny zanak’olombelona. ary ao am-pony mandritra ny andro iainana, ny hadalana. Nony afaka izany, mankany amin’ny maty izy.