Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 14:18 - Baiboly Katolika

Ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Iaveh Aho, rehefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ka ho fantatry ny Ejiptiana fa Izaho no TOMPO, rehefa asehoko ny voninahitro amin’izay ataoko amin’i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ho fantatry ny Ejiptianina amin’izay fa Izaho no TOMPO rehefa asehoko azy araka izany ny voninahitro.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ho fantatry ny Ejiptianina amin’izay fa Izaho no TOMPO rehefa asehoko azy araka izany ny voninahitro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin’i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin'i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ka ho fantatry ny Ejiptiana fa Izaho no TOMPO, rehefa asehoko ny voninahitro amin’izay ataoko amin’i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.

Jereo ny toko



Eksodosy 14:18
9 Rohy Ifampitohizana  

mba hotantarainao amin’ny zanakao aman-jafinao ny zava-dehibe nataoko tany Ejipta, sy ny famantarana vitako teo amin’izy ireo, ka ho fantatrareo fa Iaveh Aho.»


Ary hoy ny Ejiptianina tamin’izay: «Andeha handositra eo anoloan’i Israely isika, fa i Iaveh no miady ho azy, mamely ny Ejiptianina.»


Ary hohamafisiko ny fon’i Faraôna ka hanenjika azy izy. Nefa hataoko miseho miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Iaveh Aho. Dia nataon’i zanak’i Israely izany.


Halaiko ho vahoakako ianareo, ka ho Andriamanitrareo Aho, izay manafaka anareo amin’ny fanompoan’ny Ejiptianina.


Ka izao no lazain’i Iaveh: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Iaveh: hotapahiko amin’ity tehina an-tanako ity ny rano eo amin’ny ony, dia ho voaova ho ra;


Ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no Iaveh, rehefa haninjitra ny tanako amin’i Ejipta Aho sy hamoaka ny zanak’i Israely avy eo afovoan’izy ireo.»


ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro ho avy aminao Aho, ry Sidona; hanome voninahitra ny Tenako eo aminao Aho. Ho fantatry ny olona, fa Iaveh Aho, rehefa manatanteraka fitsarana momba azy Aho, sy manamasina ny Tenako eo aminy.


Rehefa avy izay hampanjariako ho tany lao ny tany Ejipta, sy izay hahafoana ny tany amin’ny zavatra ao aminy, ary hamelezako ny mponina rehetra ao aminy, dia ho fantatr’izy ireo fa Iaveh Aho.


Ary hiakatra hamely an’i Israely vahoakako ianao, toy ny rahona hanarona ny tany. Any am-paran’ny andro any no hitondrako anao hamely ny taniko mba hahafantaran’ny firenena Ahy rehefa manamasina ny Tenako ao aminao Aho, ry Goga, eo imason’ireo.