Ny zanak’i Israely izay tao Jerosalema nankalaza ny fetin’ny Azima tamin-kafaliana lehibe, nandritra ny hafitoana; ary isan’andro ny Levita sy ny mpisorona nidera an’i Iaveh tamin’ny zava-maneno mikarantsana, ho fankalazana an’i Iaveh.
Eksodosy 13:6 - Baiboly Katolika Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy lalivay, ary amin’ny andro fahafito hisy fety fankalazana an’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin’ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Mandritra ny fito andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora, ary ny andro fahafito no hanaovanareo fety firavoravoana ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mandritra ny fito andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora, ary ny andro fahafito no hanaovanareo fety firavoravoana ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin’ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an’i Jehovah. Malagasy Bible Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an'i Jehovah. La Bible en Malgache Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin’ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an’NY TOMPO. |
Ny zanak’i Israely izay tao Jerosalema nankalaza ny fetin’ny Azima tamin-kafaliana lehibe, nandritra ny hafitoana; ary isan’andro ny Levita sy ny mpisorona nidera an’i Iaveh tamin’ny zava-maneno mikarantsana, ho fankalazana an’i Iaveh.
«Tandremo ny fetin’ny Azima. Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy lalivay, araka ny nandidiako anao, amin’ny fotoana voafetra amin’ny volana abiba, satria tamin’ny volana abiba no nivoahanao tany Ejipta.»
Mandritra ny hafitoana, hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo. Ary amin’ny andro fahafito, hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa-mpanompo ianareo, na inona na inona.»
Henemana no hihinananao mofo tsy misy lalivay ary ny andro fahafito, dia hatao ny fivoriana lehibe ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona ianao.»
Ny ampitson’ny Paka ihany no efa nihinanany mofo tsy misy lalivay sy lango, tamin’ny vokatry ny tany.