Dia nasain’i Josefa nianiana koa ireo zanak’i Israely, nataony hoe: «Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hoentinareo miakatra hiala atỳ ny taolako.»
Eksodosy 13:18 - Baiboly Katolika Fa nentin’Andriamanitra niolaka ny vahoaka nanaraka ny lalan’ny efitra mankany amin’ny Ranomasina Mena. Tamim-pilaminana tsara no niakaran’ny zanak’i Israely avy tany Ejipta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa noentin’Andriamanitra nivily ho amin’ny lalana mahazo ny tany efitra amoron’ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady no fiakatry ny Zanak’Israely avy tany amin’ny tany Ejipta. DIEM PROTESTANTA Izany no antony nitondrany azy amin’ny lalana mihodidina ny taniefitra, mankany amin’ny Ranomasin’ny Volotara. Voalamina tsara ny Israelita fony niala avy tany Ejipta. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izany no antony nitondrany azy amin’ny lalana mihodidina ny taniefitra, mankany amin’ny Ranomasin’ny Volotara. Voalamina tsara ny Israelita fony niala avy tany Ejipta. Baiboly Protestanta Malagasy Fa nentin’Andriamanitra nivily ho amin’ny làlana mahazo any an-efitra amoron’ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak’Isiraely avy tany amin’ny tany Egypta. Malagasy Bible Fa nentin'Andriamanitra nivily ho amin'ny lalana mahazo any an-efitra amoron'ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta. La Bible en Malgache Koa noentin’Andriamanitra nivily ho amin’ny lalana mahazo ny tany efitra amoron’ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady no fiakatry ny Zanak’Israely avy tany amin’ny tany Ejipta. |
Dia nasain’i Josefa nianiana koa ireo zanak’i Israely, nataony hoe: «Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hoentinareo miakatra hiala atỳ ny taolako.»
Ry Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ny vahoakanao Ianao, ka nandroso teo amin’ny efitra. - Selà
Ary tamin’izany andro izany indrindra no namoahan’i Iaveh tamin’ny tany Ejipta ny zanak’i Israely voalamina isan-tokony.
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely; aoka hiova lalana izy ka handroso hitoby eo anoloan’i Fihahirôta, anelanelan’i Magdalôma sy ny ranomasina, tandrifin’i Beelsefôna; manatrika izany toerana izany no hitobianareo, eo akaikin’ny ranomasina.»
Koa nanenjika azy ny Ejiptianina ka nahatratra azy tao akaikin’ny ranomasina izay nitobiany: nahatratra azy teo akaikin’ny Fihahirôta, tandrifin’i Beelsefôna avokoa ny soavaly mpitarika kalesin’i Faraôna sy ny mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny rehetra.
Aoka anefa izy tsy hanan-tsoavaly betsaka na hitondra ny vahoaka hiverina any Ejipta mba hahazoany soavaly betsaka, fa hoy i Iaveh taminareo: Aza miverina amin’izany lalana izany intsony amin’ny sisa.
Hitany tany an-tany efitra izy, dia tao an-tany foana misy biby dia mierona, ka nofefeny sy nokolikoleny ary notandremany toy ny anakandriamasony.
Koa ny vady aman-janakareo madinika, mbamin’ny biby ompianareo, dia hijanona amin’ny tany nomen’i Môizy anareo, etỳ an-dafin’i Jordany. Fa ianareo lehilahy matanjaka sy mahery fo rehetra kosa, dia hita mitondra fiadiana eo alohan’ny rahalahinareo,
Ary nandroso samy nitam-piadiana teo alohan’ny zanak’i Israely, araka ny tenin’i Môizy taminy, ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.
Lehilahy sahabo ho 40.000 voaoman-kiady no nita teo anatrehan’i Iaveh teo amin’ny tany lemak’i Jerikô.