Natsatsiny tamin’ny afo, araka ny fanao, ny Paka, nandrahoiny tamin’ny vilany sy vilanibe ary lapoaly, ny fanatitra masina, dia nozarainy faingana tamin’ny ankapobem-bahoaka rehetra.
Eksodosy 12:9 - Baiboly Katolika Tsy hisy haninareo manta na masa-drano aminy, fa atsatsika amin’ny afo daholo, mbamin’ny lohany, ny tongony, ny tsinainy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza hanina manta na voahandro amin’ny rano izany fa atsatsiho amin’ny afo mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany. DIEM PROTESTANTA Aza haninareo manta na hahandroina ny hena, fa atsatsiho amin’ny afo manontolo miaraka amin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aza haninareo manta na hahandroina ny hena, fa atsatsiho amin’ny afo manontolo miaraka amin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany. Baiboly Protestanta Malagasy Aza hanina manta na voahandro amin’ny rano izy, fa atsatsiho amin’ny afo mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny fàdiny. Malagasy Bible Aza hanina manta na voahandro amin'ny rano izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny. La Bible en Malgache Aza hanina manta na voahandro amin’ny rano izany fa atsatsiho amin’ny afo mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany. |
Natsatsiny tamin’ny afo, araka ny fanao, ny Paka, nandrahoiny tamin’ny vilany sy vilanibe ary lapoaly, ny fanatitra masina, dia nozarainy faingana tamin’ny ankapobem-bahoaka rehetra.
ary hohanina amin’io alina io ihany ny nofony. Voatsatsika amin’ny afo no hihinanana azy miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy.
Alaovy avokoa ny sabora safodrorohany, ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, ka indray dory hanetona eo ambony ôtely.
Teteho ny ondralahy ary rehefa voasasanao ny taovany sy ny ranjony dia hapetrakao eo ambonin’ny tetiny sy ny lohany;
Ny taolako dia nandatsahany avy any ambony, afo mandoro azy; novelariny fandrika eo anoloan’ny tongotro, ka nampihemotra ahy; nahatrany tamiko ny fahoriana ka reraka mandritra ny andro izao aho.
Sasana amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray doran’ny mpisorona hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.
Atsatsiho ny sorona ary hano eo amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao; ary nony maraina dia modia ho any an-dainao.