Ny varavaran’ny Fitoerana Masina nasiany lela varavarana vita tamin’ny hazo ôliva maniry ho azy, ary feno ny tolàna sy ny momba azy ny ampahadimin’ny rindrina nisy azy;
Eksodosy 12:7 - Baiboly Katolika Hangalana ny rany, hatentina amin’ny tolàna roa sy ny tataom-baravaran’ny trano hihinanana azy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hakana ny ra ka hatentina amin’ny tolanam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanana azy. DIEM PROTESTANTA Hanalanareo ny rany ka hanosoranareo ny tolam-baravarana roa sy ny tataom-baravarana isan-trano hihinanana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hanalanareo ny rany ka hanosoranareo ny tolam-baravarana roa sy ny tataom-baravarana isan-trano hihinanana azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hanalany ny ra, ka hatentiny amin’ny tolam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanany azy. Malagasy Bible Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny trano izay hihinanany azy. La Bible en Malgache Ary hakana ny ra ka hatentina amin’ny tolanam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanana azy. |
Ny varavaran’ny Fitoerana Masina nasiany lela varavarana vita tamin’ny hazo ôliva maniry ho azy, ary feno ny tolàna sy ny momba azy ny ampahadimin’ny rindrina nisy azy;
Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rehefa hamely ny tany Ejipta Aho.
ka hoy i Iaveh taminy hoe: «Mandehana mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema, ka asio marika Tao ny handrin’ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.»
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany,
mba toy inona kosa àry no hamafin’ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny Ran’ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin’ny fahasoavana?
Ny finoana no nanaovany ny Paka sy ny famafazan-dra mba tsy ho tratr’ilay nandringana ny lahy matoa, ny zanak’i Israely.
Fa araka ny Lalàna dia saika diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra; ary tsy misy famelan-keloka raha tsy misy ra alatsaka.
araka ny fahalalan’Andriamanitra Ray rahateo, tamin’ny fanamasinan’ny Fanahy, mba hankatò ny finoana, sy hanana anjara amin’ny famafazana ny Ran’i Jesoa Kristy: hitombo fahasoavana sy fiadanana hatrany hatrany anie ianareo!