Eksodosy 12:13 - Baiboly Katolika Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rehefa hamely ny tany Ejipta Aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo. Koa raha mahita ny ra Aho dia handalo anareo fotsiny ka tsy hisy loza handringana anareo rehefa mamely ny tany Ejipta Aho. DIEM PROTESTANTA Fa ho anareo kosa, ny ra dia ho famantarana ny trano izay itoeranareo; koa raha mahita ny ra Aho, dia handalo fotsiny, ka ny areti-mandringana dia tsy hahazo anareo rehefa mamely an’i Ejipta Aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ho anareo kosa, ny ra dia ho famantarana ny trano izay itoeranareo; koa raha mahita ny ra Aho, dia handalo fotsiny, ka ny areti-mandringana dia tsy hahazo anareo rehefa mamely an’i Ejipta Aho. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho. Malagasy Bible Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho. La Bible en Malgache Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo. Koa raha mahita ny ra Aho dia handalo anareo fotsiny ka tsy hisy loza handringana anareo rehefa mamely ny tany Ejipta Aho. |
Ary toy izao no hihinananareo azy: ny valahana voasikina, ny tongotra voaisy kapa; ny tanana mitan-tehina, ny fihinanana azy atao faingana. Pakan’i Iaveh izany.
fa hiteny amin’i Ejipta i Iaveh hamely azy, ary rehefa mahita ny ra eo amin’ny tatao aman-tolàm-baravarana roa, dia handalo fotsiny ny varavaranareo i Iaveh, ary tsy hamela ny mpandringana hiditra hamely ao an-tranonareo.
Hangalana ny rany, hatentina amin’ny tolàna roa sy ny tataom-baravaran’ny trano hihinanana azy;
ka hoy i Iaveh taminy hoe: «Mandehana mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema, ka asio marika Tao ny handrin’ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.»
sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany ho velona, dia i Jesoa izay manafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.
Ny finoana no nanaovany ny Paka sy ny famafazan-dra mba tsy ho tratr’ilay nandringana ny lahy matoa, ny zanak’i Israely.
Koa ankehitriny, mihanta aminareo aho, mba hianiana amin’i Iaveh ianareo, fa toy ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ny ankohonan’ny raiko koa; ary omeo famantarana mahatoky aho,
Rehefa hiditra amin’ity tany ity izahay dia afehezo eo amin’ny varavarankely nampidinanao anay ity kofehy mena mangatrakatraka ity, ary vorio ato aminao, ato an-tranonao, avokoa ny ray aman-dreninao sy ny anadahinao mbamin’ny ankohonan-drainao rehetra.
Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.