Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 10:19 - Baiboly Katolika

ka rivotra avy any andrefana kosa indray no nampifofofofoin’i Iaveh mafy ka nipaoka ny valala, sy namarina azy amin’ny ranomasina Mena; ary tsy nisy tafajanona ny valala, na dia tapikany iray aza, tany Ejipta tontolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary NY TOMPO nanodina ny rivotra ho rivotra tena mahery avy any andrefana, izay nitondra ny valala ka namarina azy tany amin’ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala manerana ny tany Ejipta manontolo, na dia iray aza.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa mampitsoka rivo-mahery avy any andrefana kosa ny TOMPO, rivotra izay mitondra ny valala, ka mamerina azy ireny tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara; dia tsy nisy valala tavela intsony tao amin’ny tany Ejipta manontolo na iray aza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa mampitsoka rivo-mahery avy any andrefana kosa ny TOMPO, rivotra izay mitondra ny valala, ka mamerina azy ireny tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara; dia tsy nisy valala tavela intsony tao amin’ny tany Ejipta manontolo na iray aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin’ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran’ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin'ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran'ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary NY TOMPO nanodina ny rivotra ho rivotra tena mahery avy any andrefana, izay nitondra ny valala ka namarina azy tany amin’ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala manerana ny tany Ejipta manontolo, na dia iray aza.

Jereo ny toko



Eksodosy 10:19
7 Rohy Ifampitohizana  

Lasa toy ny aloka efa mandrorona aho, indaosina tahaka ny valala aho.


Niala avy ao amin’i Faraôna i Môizy, dia nangataka tamin’i Iaveh,


Nohamafisin’i Iaveh anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nalefan’i Faraôna nandeha ny zanak’i Israely.


Fa nentin’Andriamanitra niolaka ny vahoaka nanaraka ny lalan’ny efitra mankany amin’ny Ranomasina Mena. Tamim-pilaminana tsara no niakaran’ny zanak’i Israely avy tany Ejipta.


Ny kalesy aman-tafik’i Faraôna navariny an-dranomasina; Ny kapiteny voafantina natelin’ny Ranomasina Mena;


Hampanalaviriko anareo ilay avy any avaratra, ka horoahiko ho any amin’ny tany karankaina sy efitra izy; Ny lohalalany ho any amin’ny ranomasina atsinanana. Ny vodilalany ho any amin’ny ranomasina andrefana; ka fofona mantsina no hanetona avy aminy, ary hiakatra ny fahamaimboany!» Satria nahefa zava-dehibe izy!


Ny finoana no nitàn’izy ireo ny ranomasina Mena, toy ny mandeha an-tanety; nony mba nanaraka kosa ny tera-tany Ejiptianina, dia saforan’ny rano.